Politique

Tahotry ny fanonganana Miantso vonjy ny HVM


  • Sabotsy 16 Jolay 2016

Tsy mahatoky tena intsony ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara. Nanangona antoko politika nanao sonia mba hanohana azy ireo indray mantsy ireo omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy

taorian’ny fanambarana nataon’ireo antoko politika  izay nambaran’izy ireo fa vitsy an’isa  miantso ny Malagasy mba hatsangana handrodana izao fanjakana mijoro izao. Anisan’ny nisolotena ireo parlemantera tamin’izany ny solombavambahoaka Mara Niarisy izay nilaza fa avy ao amin’ny vondrona politika  Malagasy Miara-miainga ny tenany,  izay tsy miaraka  amin’Andriamatoa  Hajo Andrianainarivelo  filohan’ny MMM  akory fa manohana ny fanjakana mijoro amin’izao. Antoko politika maromaro izy ireo no nanatanteraka izany sonia izany toy ny MAPAR II, ny MDM, ny PATRAM…Nanambara moa izy ireo fa tsy maintsy mijoro manoloana ny fisian’ireo mpanakorontana sy ireo olona efa tsy lany tamin’ny fifidianana nefa  mikasa handentika ny firenena anaty kizo indray. Tsy hitsitsy ireo voaporofo fa tena mamatsy vola mivantana na an-kolaka ireny hetsika ireny izy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao satria dia hatolony ireo manampahefana misahana izany izy ireo mba hofaizin’ny lalàna. Nantitranterin’izy ireo hatrany moa fa tsy misy toy ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika ihany ny mety. Miantso ny vahoaka tsy hanaiky ny fandrebireben’ny mpanao politika izy ireo fa hampitovy fomba fijery aminy ho tombontsoan’ny firenena. Hita teny amin’ny Carlton teo anilan’ny HVM omaly ireo mpanao politika efa adinon’ny tantaram-pirenena sy efa tsy nahatarik’olona intsony. Ireny izany no hany ianteheran’ity antokon-dRajaonarimampianina ity hanohana azy amin’ny fifidianana manaraka, ankoatra ny fampiasana ny fahefam-panjakana…angamba !

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT