Politique

Tahotra siotsioka daholo ve ?


  • Alatsinainy 06 Jona 2016

Natao ny famaranana tamin`ny baolina lavalava, amboaran`ny prezida : tsy tonga ise ry Jean na dia efa naroso ho andro sabotsy aza io mba tsy hifanitsaka tamin`ny andro nivoahan`ise tany ivelany.


 Dia gaga ny mpanao sy mpijery baolina lavalava. Ny maso foana no nirangaranga niandry an`ise mandra-panolotra ny amboara fa e e e, tsy nipoitra ise e. Natahotra siotsioka ve ? Natao ny lanonana miaramila teny Betongolo. Niranga ny mason`ny rehetra fa e e e, tsy nipoitra ise. Natahotra siotsioka ihany koa ? Ho avy ity ny 26 jona, fetim-pirenena. Inoako fa miandry an`ise ny foloalindahy satria fetin`ny foloalindahy io. Torak`izany koa ny vahoaka Malagasy satria fetim-pirenena Malagasy io. Angamba izany ise izao efa mipararetra sahady sao hisy siotsioka indray koa amin`io ? Nefa inoako ry Jean fa tsy maintsy hijoro eny Mahamasina ise amin`io, raha tsy dia hoe sampona angamba ity fetim-pirenena indray mitoraka ity. Koa mahereza ry Jean na dia efa hitako fa mitebiteby fatratra ery aza ise izao. Ataoko ho fampaherezana an`ise ilay hoe : aleo hivovo ny alika fa ny sarety tsy maintsy mandalo.

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT