Politique

Tahotra ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy Mampandry adrisa ny mpitondra


  • Talata 02 Aogositra 2016

Tsy manana vahaolana maharitra manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana ankehitriny ny fanjakana.

Niakatra ny vidin-jiro sy rano, niakatra ny filana andavanandro : vary, saribao, siramamy sy maro hafa.  Efa in’efatra niakatra ny vidin-tsolika ary mandrangaranga fanondrotana saran-dalana indray ny mpitatitra amin’ny 26 aogositra ho avy izao. Tsy misy ny vahaolana fa ny tsapa dia matahotra fipoahana ara-tsosialy ny mpitondra ka miezaka mampandry adrisa sy manao kabary tsara lahatra. Mikasika ny vidin-tsolika, nanambara ny minisitry ny vola sy ny tetibola fa tsy hisy ny fiakarana amin’ity volana aogositra ity. Mihevitra ve izany ny mpitondra fa zakan’ny vahoaka ny fiakaran’ny vidim-piainana ateraky ny fidangan’ny vidin-tsolika ankehitriny ? Heverin’ny fanjakana fa mahafaly ny vahoaka ny fanambarana ny tsy hisian’ny fisondrotana ao anatin’ny iray volana. Manaporofo ny tsy fisian’ny finiavana mba hampidinana ny vidim-piainana eto Madagasikara izany fa famonoana afo mba tsy hisian’ny fipoahana ara-tsosialy fotsiny. Raha resaka fanavotam-pirenena dia tsy amin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao no hisian’izany. Vahaolana maharitra no ilaina amin’izao fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny izao saingy fitaka, kabary tsara lahatra, vahaolana tandrametaka lava izao no iainan’ny vahoaka.

                                                                                                                      Toky  R.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT