Politique

Tahina Razafinjoelina “Tsy manana disadisa amin’ny TIM ny Tia Tanindrazana”


  • Alakamisy 03 Oktobra 2019

Tsy misy disadisa mihitsy ! Samihafa ny fivadihana sy ny fahaleovantena.

 

 

 Raha raisina ao an-tokantrano fotsiny, dia ny zaza rehefa mahaleotena dia fifaliana sy fahasoavana izany. Tahaka izay ihany koa amin’ny politika, hoy i Tahina Razafinjoelina. Raha mivadika ny zaza dia mampalahelo, fa eto dia mahaleotena. Fahaleovantena tsy midika fivadihana. Tsy misy hidiran’ny Tia Tanindrazana ny mety fialana olona tao amin’ny TIM, ary izay no tsy nikitihanaazy tao anatin’ny 9 taona fa dia nanohana foto-kevitra iray izay niarahana tamin’ny TIM. Raha ohatra hanaraka ny Antoko Tiako I Madagasikara mandrakizay, dia inona izany no antony nananganana ny antoko, hoy i Tahina Razafinjoelina. Mba tonga ny fotoana, ary 9 taona izany efa ampy handrosoana amin’izay, ka teo no nahatonga ny fahaleovantena. Ny nialany ny maha amin’ny Antoko TIM azy, izay tsy fantatro na nalana na niala fa andeha hoe nialany satria tsy mahalala izany isika, fa misy tokoa kandida vitsivitsy izay namana, mpiara-miasa tao anatin’ny fotoana niarahana tamin’ny TIM. Tonga izy, fantatra ny fijoroany dia mendrika hampiana sy hiaraha-miasa. Ireny fitsinjaram-pahefana, fanabezana, teknolojia matoa navoaka ho fantatry ny rehetra dia atolotra ho an’ny rehetra, dia soso-kevitra am-pahendrena ho an’i Madagasikara. Tsimialonjafy ny Tia Tanindrazana, ka homena ny kandida rehetra ho lany izay mazoto satria maimaimpoana. Tsimialonjafy rahateo ny Tia Tanindrazana. Tsy misy vina manokana na hoentina amin’ny hambom-po fa firenena no jerena, hoy i Tahina Razafinjoelina.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT