Nanokatra ny sain’ny rehetra i Tahina Razafinjoelina omaly tao anatin’ny fandaharana
RÖA-Mazava » manokana an’ny pejim-baovao 24H Mada, fa amin’izao zava-manjo ny Firenena izao, dia tsy olona no toherina, fa isika rehetra no entanina hiara-hiady amin’ny fahantrana. Tsy misy resy na mpandresy fa i Madagasikara mihitsy no resin’ny fahantrana. Manana andraikitra avokoa na fiangonana, na mpanao gazety, firaisam-pirenena,… Mila omena fitokisana ny Malagasy. Mbola mihevitra foana ve isika fa fahadisoana avy amin’ny mpampianatra sy manampahaizana sa tsy firaharahiantsiaka azy no mahatonga ny fahantrana ? hoy izy momba ilay resaka hoe : tsy misy profesora mahay intsony eto. Ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana anefa ohatra eo amin’ny 700 na 800 sa 900 miliara Ar no natokana ho an’ny manam-pahaizana sinoa momba ny vary safiotra ? Ohatrinona amin’izany no omena ny manam-pahaizana Malagasy mahalala ny tany eto Madagasikara mba handalina ny fambolem-bary na fambolena katsaka ? Na 10 miliara Ar aza tsy anaty tetibola ho an’ny mpampianatra sy manam-pahaizana. Tsy matoky azy, lazaina fa mandany vola, kanefa ny tsy fahatokisana eo amin’ny samy Malagasy no miteraka fahantrana. « Mahay ny mpanabe Malagasy, izay no asanay, matoa izahay nahatafita tanora Marobe dia mahay, ary matoa ny zanakay ampianarinay eto, matoa izahay mitsabo tena eto, dia matoky fa mahay ny eto. Mpitsabo Malagasy no alaina manao mersenera any Maurice. Alain’ny any fa isika indray no tsy mahalala ny fahaizan’ny antsika. Rehefa tsy matoky ny Malagasy dia tsy mandroso ny tsena Malagasy, ka toe-panahy entina manabe tanora hitia ny azy, fa rehefa tsy tia ny antsika dia tsy handeha mihitsy amin’izao fanatontoloana izao. », hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina. Matoa, hoy izy, nahateny an’ireny dia misy eritreritra izany ve any anivon’ny Fanjakana ambony ? Izao ny Jirama nomena vahiny, ny Airmad no potika,… Talohan’ny 2009 dia Malagasy no nitantana, ary niabo ny vokatra ho an’ny Jirama. Ny gaz vitan’ny mpikaroka Malagasy, nisy andro natokana ho an’ny voka-pikarohana fa izao tsy misy intsony, fa rano mandihindihy no nandaniana amina miliara. Ananantsika ny fikarohana momba ny angovo, toy ny ranomasina mivadika ho angovo, ranomasina avadika ho azo ambolena,… Ny any an-dafy heverina tsara, fa ny antsika ambaniana. Izahay antsoin’ny iraisam-pirenena, ary tsy misy tsy miaiky ny Malagasy rehefa miditra amina toerana iray, hoy izy.
ADY AMIN’NY FAHANTRANA FA TSY VONINAHITRA…
Tsy ny endrika ivelany, ary raha izay no atao laharampahamehana dia tsy maninona fa mijanona ho mpanohitra i Tahina Razafinjoelina, raha ny nambarany. Hopitaly tsy misy oxygène, tsy misy jiro, fa misy kianja basikety misy loko politika eo ivelany. Fanoherana makany amin’ny fampandrosoana no atao, tsy tokony hitanila amin’ny fampahantrana, ary mila mahasahy mijoro ny rehetra. Ohatra noraisiny ny RN7 potika efa am-bolana ary isan’ny tra-doza izy, niditra HJRA fa tsy nisy scanner tao, simba,… 700 000Ar ny manao « scanner », tsy misy ao amin’ny Hopitaly, ny chimiothérapie lafo be,… kanefa mbola mandany zavatra amin’ny kirendrarendra. Mbola ny voninahitra ny tena no mandeha aloha, kanefa ny fahantrana no mila toherana. Firenena mandroso izany mila mamokatra, salama, mila mianatra amin’ny taniny, fa tsy hoe :firenena mandray vahiny dia atao tsara be ny ao. Manamboatra làlana ho an’ny SADC, fa ny làlana rehetra manerana ny Nosy tapitra potika, mamono olona toy ny RN7, RN4,… Mila miaina anatin’ny fifalian’ny tena, ho an’ny mponina, fa tsy hoe : handray vahiny dia handany miliara Ar. Ny tondro momba ny fandrosoana dia miankina amin’ny isam-batan’olona : manana asa ve ? Mitombo ve ny harena ? Salama sy afaka mitsabo tena ve ? Ilay olona no tokony hojerena. Mampianatra eny Ankatso, tsy misy jiro eny,… Aiza ilay laharam-pahamehana ? Io izao mandany vola be isika amin’ny SADC. Adidin’ny solombavambahoaka ohatra ny hoe : mba vola avy aiza ? Tsenambaro-panjakana avy aiza sy ara-dalàna ve ? Anaty ligne budgétaire an’iza ?
VETIVETY NY MAMPANDROSO AN’I MADAGASIKARA ! AZA HAKIVIANA NY OLONA !
Misy zavatra tsy mety ! Ny tanora tompon-tany mitady làlana hivoaka, kanefa ny vahiny toy ny sinoa misika eto. Ny voanjo izao tena haripany. Tena misy fanjanahan-tsaina, ka mila atodika amin’i Madagasikara ny fahalalan’ny ankizy. Tsy misy mahalala an’izany Malakita, tara,… Mila atao mahalala an’i Madagasikara ny Malagasy, ny olona misika satria mahalala fa isika atao izay hahadondrona. Ny antsoina hoe olona mahay dia olona mahalala ny taniny, ezahana ovaina ny rafi-pampianarana. Ny antsika 170kg ny omby, ny an’olona 400kg ka inona no tsy handaniana vola hanaovana fikarohana ? Vetivety ny mampandroso an’i Madagasikara, Rwanda avy potika fa tafita 16 taona, Japon nodarohan’ny baomba fa 12 taona tafarina, ny adin’i Korea namotika fa izy izao no tompon’ny finday,… ka nahoana isika no kiviana ? hoy i Tahina Razafinjoelina nisintona ny sain’ny rehetra hanam-pinoana. Aminy, raha te hanova dia ny fanabeazana fa tsy fety. Ny fahakiviana dia fahotana, ka tsy izay no tokony hitondrana ity raharaha ity. Manana adidy ny rehetra, azo atao ny mampatafita ity Firenena ity, fa ny olan’ny mpitantana dia milaza fa tsy misy hiraharahinay an’izany fa tsy ho tafita intsony, hoy i Tahina Razafinjoelina. Namafisiny fa tsy olombelona no hahatafita ity Firenena ity fa fotokevitra : Fanabeazana, fitsinjaram-bolam-panjakana, nomerika,... Tsy sosialim-bahoaka na fihantrana no ilaina, fa ny fanalana azy ao anatin’ny fahantrana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.