Politique

Tahina Razafinjoelina Hanampy ny kandidà Gasy rehefa lany


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Ny sabotsy teo no faradoboka niarahan’ny kandidà Gasy N°3 ao anaty bileta tokana, niarahana tamin’ny vahoakan’Andoharanofotsy.

 

 

Nifaly havanja ny mponina niaraka tamin’ireo mpanakanto maro. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra io faradoboka io ny filohan’ny antoko sy ny sekretera jeneraly, niaraka tamin’ireo mpikambana tao amin’ny birao.  Tamin’ny lahateny fohy nataon’ny filohan’ny antoko Tia Tanindrazana,  Atoa Tahina Razafinjoelina no nilazany fa raha tonga eo amin’ny fitantanana ny kaominina Andoharanofotsy ny kandidà Gasy dia vonona ny hanampy azy amin’ny lafiny rehetra, izay vina sy programanasan’ny kandidà ny antoko. Rehefa hatao dia hatao, hoy izy. 3 taona lasa izay, nanome fiara ho an’ny zandarimaria tao Andoharanofotsy ny antoko, hoy ny filohany. Rehefa lany soamatsara ny kandida Gasy dia mbola ampiana io fiara io. Nambarany koa fa hatao moderina ny hopitaly Andoharanofotsy, ka afaka mitsabo tena ao avokoa ny olona rehetra, fa tsy mamonjy hopitaly hafa intsony. Atao tsara ny lisea, Ceg, EPP sy ny sekoly rehetra ao Andoharanofotsy, ka ny mpianatra avy aty Antananarivo indray no handranto fianarana any amin’ireo sekoly ireo, hoy hatrany ny filohan’ny antoko. Ao anatin’ny fanabeazana izany, satria ny ankizy no ho avin’ny fiirenena. Miandry an’i Gasy sy ny mpanolotsaina hitarika ny kaominina Andoharanofotsy ny antoko aorian’ny fifidianana ben’ny tanàna ny alarobia izao, hoy ny fanazavany.

Sitraka r.      

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT