Takiana ny hisian’ny mangarahara amin’ny fifidianana manaraka eo, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Tia Tanindrazana nandritra ny fandaharana don-dresaka tao amin’ny fahitalavitra TV Plus Madagascar halina.
Be loatra ny ahiahy any amin’ny olom-pirenena, ny mpandraharaha ary ny mpanao politika, eny fa na hatrany amin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy aza momba ny zava-misy eto Madagasikara, indrindra fa ny fifidianana ho avy eo, hoy i Tahina Razafinjoelina. Efa nijoro ara-panjakana tamin’ny 2009 ny antoko Tia Tanindrazana, izay manana foto-kevitra hijery sy hiasa amin’ny mahasoa an’i Madagasikara sy ny Malagasy fa tsy nandany ary tsy handany fotoana mihitsy amin’ny ady seza. Mazava ny foto-kevitra : sahy mijoro ho an’i Gasikara ary mikatsaka ny fomba rehetra hahafahan’ny Malagasy misitraka ny harena ananany eto amin’ny taniny. Ataovy ny fomba fandatsaham-bato, ny fanisana ny vato. “Inona no sakana tsy hampiasantsika eto Madagasikara ny teknolojia hanangonana ny voka-pifidianana, kanefa isika aza anisan’ny firenena lohalaharana maneran-tany amin’ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday (mobile banking) ?”, hoy izy. An-tapitrisany ny olona manana finday efa manao io seraseram-bola io, nefa toa voafehy ihany ka inona ny olana amin’ny fanangonam-bokatra avy amin’ny birao fandatsaham-bato manodidina ny 24 000 manerana an’i Madagasikara ? Nanamafy moa tetsy an-kilan’izay Atoa Thierry Rakotonarivo filoha lefitry ny CENI fa ekena amin’ny fifidianana manaraka eo, raha ilaina ny fampitahana ny taratasy mirakitra ny voka-pifidianana (PV).
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.