Politique

Tafika Malagasy Tsy hita izay hanaovana ireo lietna-kolonely sy kolonely an-jatony


  • Talata 17 Janoary 2012

Miteraka olana lehibe eo anivon'ny Tafika amin'izao fotoana izao ny fisian'ny manamboninahitra lietna-kolonely miisa an-jatony maro manerana ny Nosy.

 Olana saro-bahana izy io ary ireo mpitondra rehetra teo aloha dia samy nisedra izany avokoa. Tamin'ity fitondrana tetezamita ity anefa miha mafy ny olana satria misy amin'ireo lietna-kolonely no mahazo avara-patana amin'ny mpitondra satria zanaky ny mpitondra teo aloha. Io no miteraka lonilony satria tsy mitovy ny fikarakarana. Vokatry ny fampidirana manamboninahitra manodidina ny 200 mahery amin'ny andiany iray tany amin'ny Akademia Miaramila no nahatonga io lesoka io, araka ny fantatra teo anivon'ny Tafika. Tsy ny lietna-kolonely ihany fa na ny kolonely ihany koa aza dia tratr'io olana noho ny fahamaroana loatra io. An-jatony ihany koa izy ireo amin'izao fotoana izao ary ny maro amin'izy ireo dia efa nitondra galona kolonely mihoatra ny dimy taona avokoa. Misy ireo mahafeno fepetra ary tokony hahazo jeneraly kanefa tsy nahazo. Ireo vao nitondra galona roa taona indray no nahazo fampiakarana. Izany rehetra izany dia aretina mikiky eo anivon'ny Tafika daholo. Tsy milamina mihitsy ny eo anivon'ny Tafika, saingy terena hangina ny miaramila dia milamindamin-dratsy izany.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT