Politique

Tafika Malagasy sy Frantsay Nohamafisina ny fiaraha-miasa


  • Sabotsy 02 Jolay 2016

Toy ny fanao isan-taona dia notontosaina tetsy amin’ny tokotanin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena tetsy Ampahibe omaly ny fanolorana

 

mariboninahitra ireo miaramila sy zandary malagasy sy frantsay noho ny fiaraha-miasan’ny tany roa tonta, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny foloalindahy. Nisy ny fanomezana mariboninahitra ireo manamboninahitra frantsay izay miara- miasa amintsika, hoy izy ary ny fanolorana medaly volamena sy volafotsy ary alimo ho an’ireo manamboninahitra malagasy. Anisan’ny nisongadina ny fanomezana commandeur de l’ordre national ny general de brigade France Raigner izay komandy ambonin’ny tafika aty amin’ny faritra atsimon’ny Oseanina Indianina. Nomarihiny moa fa efa niara-niasa tamintsika tany amin’ny 10 taona lasa tany ho any ity manamboninahitra frantsay ity ary dia izy izao hiverina atsy La Reunion izao. Raha ny mikasika ilay resaka fanampiana antsika eo amin’ny resaka fampandriantany moa dia nilaza ity tompondraikitra ity fa misy tokoa ny tekinisianina Renioney izay mampiofana miaramila malagasy 800 ao La Réunion amin’izao fotoana izao ary mety ho tonga hampiofana eto an-toerana ihany koa izy ireo. Nohamafisiny fa iray ihany ny tafika fa tsy mizarazara. Raha ny mikasika ilay miaramila voalaza ho nihoa-pefy tany Ankararanana ao amin’ny distrikan’i Soavinandriana Itasy moa dia nanazava ihany koa ity tompon’andraikitra ity fa manana ny mpibaiko azy any amin’ny tobiny izy ireny ary efa nisy tokoa ny fepetra noraisina ho azy ireny teo anivon’ny fitsarana raha voamarina fa nihoa-pefy tokoa izy ireo. Tafiditra ao anatin’ireo famaizana ny sazy enjana izay mety ho tonga amin’ny fandroahana ireo miaramila nihoa-pefy ireo raha ny fanazavana hatrany. Tazana teny an-toerana moa ankoatra ireo olomanankaja frantsay maro ny jeneraly Richard Ravalomanana sy ny solontenan’ny mpanolotsaina ao amin’ny departemanta renioney.

Faralahimatoa  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT