Tsy hita hatramin’izao izay tena mangirana mikasika ilay asa fampihorohoroana niseho tetsy Mahamasina ny takarivan’ny fetim-pirenena farany teo.
Anisan’ireo nahiahian’ny avy eo anivon’ny Emmo Nat ho tompon’andraikitra tamin’iny tranga iny moa ny senatera Lylison René de Rolland. Ny avy eo anivon’ity sampandraharaha fitandroana ny filaminana ity rahateo dia mbola nanamafy tamin’ny antso an-tariby nifampiresahana omaly fa tsy mbola foana ny didy fampisamborana ny senatera Lylison.
Nisy tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny loharanom-baovao nandrenesana fa nandositra atsy amin’ny nosy Mayotte ny tenany rehefa avy nandalo tao Afrika atsimo ary teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato no nanainga. Mahagaga fa dia afaka nivoaka izy, tsy voasambotra. Araka ny tsiliantsofina re dia nisy tompon’andraikitra tao Ivato nanampy azy. Raha vao miresaka nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina moa dia matetika mampiahiahy foana fa ao ambadika ny Frantsay. Tafiditra ho ampahan-tanin’i Frantsa rahateo tahaka an’i La Réunion i Mayotte. Ny 23 mey moa no nanao fanambarana tamin’ny onjampeo i Lylison René de Rolland ary ny ampitson’io no nirodorodo nisava ny tranony teny Andohan’i Mandroseza ny mpitandro ny filaminana. Nambara avy eo fa nisy ny didy fampisamborana azy. Tsy nisy na dia fampitam-baovao iray aza anefa nilaza fa nikaroka azy marina ny mpitandro filaminana. Misy ve ny toerana ahiahiana niafenany ? Mahatalanjona ilay fidedahan’ny fitondram-panjakana fa tomombana an-tsakany sy an-davany ny fitandroana ny filaminana mandritra ireo fivoriana iraisam-pirenena (Comesa sy OIF) ho avy eto handraisana olona an’arivony, kanefa olona tokana ambara fa atidohan’ny fanakorontanana aza tsy voasambotra ao anatin’ny efa-bolana. Izany ve no asa vitan’ilay hoe : « gouvernement de combat » ?
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.