Politique

Tabera Randriamiarantsoa “Mila manova famindra ny FAT”


  • Zoma 03 Febroary 2012


 “Misamboaravoara sy mitsoka ny rivodoza politika eto amintsika tato ho ato. Izany dia vokatry ny fandraisana fanapahan-kevitra tsy iarahana sy ny tsy fanajana ny sonia natao, nefa ambara fa fiaraha-mitantana no misy ankehitriny”, hoy ny minisitry ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy, Tabera Randriamianantsoa izay manatanteraka fitsidihana arahin’asa ao Toamasina, raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny. Nambaran’ity minisitra avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ity fa “raha tsy mbola hajain’ny mpanao politika, adika vilana ny ambaran’ny tondrozotra ary raha milaza ho manan-kery ka manao ny didy midina sy manapaka samy irery ny FAT, dia vao mainka hiditra anaty kizo isika, ary ny fipoahana ara-tsosialy no hiafaran’izao raha mitarazoka eo ny famahana izao olana mitarika ny Malagasy anaty fahantrana lalina izao”. Ho an’i Tabera Randriamiarantsoa dia “tsy misy olana aminy sy efa voasoratra ao anaty tondrozotra ary tsy misy olana amin’ny ankolafy Zafy Albert, ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana.

Malagasy izy ka manan-jo miverina eto, ary tsy hilamina ny raharaha politika izao raha tsy afaka ny hifamela ny Malagasy satria samy nanota teto amin’ny firenena daholo ihany; ka izany ho mahatonga ny ankolafy misy anay miady mafy ny fametrahana io fampihavanam-pirenena io na betsaka manakiana aza”. Ankoatra izay, mila manova famindra tanteraka ny FAT manomboka izao, tsy tongatonga ho azy izao fitokonana mipoitra etsy sy eroa ireo, fa misy antony ara-politika sy ara-tsosialy no mahatonga izany ka tsy azo tsinontsinoavina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT