Manamafy ny tokony hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena, ka hamoahana ny marina mikasika ireo zava-nitranga teto amin’ny firenena, aloha izahay CRN (Comité pour la réconciliation nationale)
miaraka amin’ny profesora Zafy Albert, hoy i Tabera Randriamanantsoa, hisian’ny filaminana sy ny fitoniana, vao miroso amin’ny fampiantranoana ny fihaonana an-tampon’ny vondrom-pifanakalozana ara-barotra COMESA sy ny Frankôfônia. Tsy tokony hirotorotoana ihany koa ny hanaona fifidianam-paritra, hoy ity filoha nasionalin’ny antoko Kintana sady efa minisitry ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy teo aloha no kandida faha-31 tao amin’ny biletà tokana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013 ity, raha hampiantrano fivoriana an-tampony izany satria matetika ny fifidianana eto Madagasikara dia loharanona korontana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.