Nivoaka tamin’ny fahanginany ny avy eo anivon’ny antoko politika Kintana tarihin’ny filohany, Tabera Randriamanantsoa, manoloana ny fidangan’ny vola tsy maintsy aloa raha te hilatsaka ho solombavambahoaka.
Efa nomanin-dry zareo tafapetraka eo amin’ny fitondrana io, hoy izy, ary heveriny fa ny vola no hahamarin-toerana azy. Tsy ny vola 5 tapitrisa ariary no olana fa ilay izy tsy misy antony. Tsy hay hoe nisy taratasy niakatra ve ny vidiny sa inona, hoy izy, fa dia valim-boraingina fotsiny ny an’ny CENI rehefa natonina. Raha hameno kandida amin’ireo distrika 119 izany ny antoko iray dia efa 1 miliara ariary no lany. Miantso ny fitondram-panjakana, hoy izy, mba hanova an’io fa tsy izay mpanam-bola fotsiny no atao hitondra. Tsy mankasitraka an’io ny antoko Kintana. Nanambara izy ireo fa tsy maintsy ho lany ny kandida miisa 20 halatsany. Tsy azo avela anaty loza ny firenena ary tsy io resaka vola aloa io no atao fampitahorana eto. Izany indrindra no tsy maintsy handraisana anjara amin’ny fifidianana na dia efa fantatra ary fa an-dRajoelina aza ny CENI sy HCC, hoy i Tabera Randriamanantsoa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.