Politique

Tabera Randriamanantsoa ”Tazonin’ny Pr Zafy ny fitoriany an’i Andry Rajoelina”


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011


 Tsy tsoahina izany fa mbola tazonina hatrany ilay fitoriana an-dRajoelina napetraky ny Pr Zafy Albert teny amin’ny Lehiben’ny fampanoavana Anosy tamin’ny talata 13 septambra lasa teo milaza fa mpangalatra harem-pirenena … ary nampiarahana porofo mazava izany, hoy i Tabera Randriamanantsoa tao amin’ny Magro Behoririka nanoloana ny vahoaka nameno kianja ny sabotsy 17 septambra teo. Nanolorana dika mitovy amin’izany fitoriana izany avokoa, hoy izy, na ny tafika, sy ireo masoivohom-pirenena vahiny samihafa, toy izany koa ny FFKM, indrindra fa ny Bianco. Nohamafisin’i Tabera fa ho avy eny amin’ny fitsarana mihitsy ny Filoha Zafy Albert hijoro vavolombelona amin’ity fitoriany ity. Nampanantena i Tabera fa ho tonga ao amin’ny Magro Behoririka ny Pr Zafy hanazava io dosie napetrany any amin’ny tribonaly io.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT