Namory ireo mpikambana CRN Toamasina tao amin’ny sekoly Arema Ankirihiry Atoa Tabera Randriamanantsoa ny sabotsy tolakandro teo. Nandritra izany no nifampitana vaovao ary namaliana ny fanontaniana sy ny ahiahin’ireo mpikambana ao Toamasina. “Ny lalàmpanorenana ankehitriny io no olana amin’ny fampihavanam-pirenena tiana hapetraka eto”, hoy izy izay filohan’ny antoko Kintana ihany koa. Nomarihiny fa tsy mpanohitra ny fitondrana mijoro ny CRN fa misolotena ny vahoaka Malagasy kosa amin’ny fametrahana ny fihavanana marina efa notakiany hatramin’izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.