Politique

Tabera Randriamanantsoa Ny asa mandeha, ny politika koa mitohy


  • Alarobia 30 Novambra 2011

Nanatanteraka ny fifamindram-pahefana ihany ny minisitry ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy, Tabera Randriamanantsoa omaly, tetsy amin'ny biraon'ny ministera tetsy 67 ha.

 Na izany aza dia tsy mbola niatrika, fanindroany, ny filankevitry ny governemanta natao omaly teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny tenany. «Tsy maintsy tohizana ny asam-panjakana», hoy ny nambarany. Nanao sonia nandraisana ny fahefana izy raha ny fantatra satria misy asa maika tsy maintsy atao ao, toy ny fandoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana rehetra. Ankoatra izany ny fanomanana ny fanadinan'ny ENAMi... «Tsy azo atao sorona amin'ny resaka politika ny fiainam-bahoaka”, hoy ihany ny minisitra Tabera. Ny hanasoa ny vahoaka mantsy no katsahana fa tsy ny hanao takalonaina azy ireo.

Raha nanontaniana ny resaky ny profesora Zafy Albert ny tenany amin'ny hoe izay miditra ao amin'io governemanta io dia tsy anisan'ny mpikambana ao amin'ny ankolafy intsony dia niaiky. Namaritra anefa izy fa tsy miala amin'ny ankolafy izany, ary manaraka ny baikon'ny profesora hatrany. Ny fanavotana ny vahoaka no nahatonga azy nandray ny toerany io omaly io. Mitohy any ambadika hoy izy ny politika avo lenta, raha tsy mivaly ny fepetra sy ny fangatahan'izy ireo. Tsy ireo lisitra natolotry ny praiminisitra Beriziky mantsy, raha ny nambarany, ireo notendrena ao amin'ny governemanta ireo fa lisitry ny filohan'ny FAT, izay mbola namaritra anjara toerana maro ho azy ihany, izay tsy voarakitra ao anatin'ny sori-dalana akory.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT