Politique

Tabera Randriamanantsoa Nampiongana mpitondra ny sakantsakana teto Madagasikara


  • Sabotsy 29 Jolay 2017

Matoam-baovao hatreto ny fandavan’ny prefektioran’Antananarivo ny fankalazana malalaka ny faha-15 taona niorenan’ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Nohamafisin’i Tabera Randriamanantsoa fa adihevitra tsy mitombina ny fandraran’ny mpitondra mahefa izany. Mbola ahiahy amin’ny mety hisian’ny korontana no nolazain’ny solontenam-panjakana momba io tsingerintaona io, araka ny fanamarihany. Ny miaro ny olona sy ny fananany no adidin’ny mpitandro ny filaminana fa tsy misakana azy hiditra ao amin’ny toerana nofinidiny hankalazana am-pilaminana ny fety. Manamora ny asan’ny polisy sy zandary ary miaramila rahateo ny fanaovana lanonana ao anatin’ny faritra mifefy satria mijanona amin’ny fitandroana ny fahalemana ety ivelany ny andraikitra sahanin’izy ireo, hoy ity mpanao politika ity. Ny fandraisana fanapahan-kevitra politika diso tahaka ny misy ankehitriny no nampiala ireo mpitondra firenena nifandimby teto Madagasikara, araka ny fampahatsiahivan’ny filohan’ny antoko Kintana. Nitarika fahatezeram-bahoaka hatrany mantsy ny sakantsakana hetsika avy amin’ny mpitondra manampahefana teto Madagasikara.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT