Politique

Tabera Randriamanantsoa Mivoy mafy ny federalisma ?


  • Talata 02 Aprily 2013

Daty tsy nohadinoin’ireo “federalista” Toamasina ny 31 martsa namoizan’izy ireo ny namany ny taona 1991, izay lavon’ny balan’ny tafika nandritra ny tolona nataon’izy ireo ny fametrahana ny fanjakana federaly.

 Raha ny voarakitra eo amin’ny tsangambato fahatsiarovana dia miisa 07 izy ireo dia i Lahy Gaston, Rakotomandimby, Rajaomaria, Bezanajafy, Samson, Marius ary Ludovic Rene”. Nisy noho izany ny fametrahana fehezam-boninkazo sy fanokafana ny takelaka fahatsiarovana nohavaozina. Tonga niatrika izany ny minisitry ny asam-panjakana, Atoa Tabera Randriamanantsoa, izay nilaza fa “ho an’ny Malagasy rehetra ny fametrahana ny fanjakana federaly eto amin’ny firenena… Ny vahaolan’ny fampandrosoana eto dia ny fametrahana ny rafitra federaly ihany”. Nomarihan’Atoa minisitra fa “isika tanindrana mihitsy no tena olana amin’ny fametrahana ity rafitra federaly ity, fa tsy ny ao Antananarivo, sao isika vahoaka diso hevitra”. Hita tato ho ato izay fa tea mivoy mafy ny hametrahana ny rafim-panjakana federalist eto Madagasikara ny minisitry ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy Tabera Randriamanantsoa, ary manomboka mitety faritra mihitsy mampahafantatra ny heviny. Ny CST Vaovao Benjamin kosa dia nanoritra ny tantara nahatonga ny fitakiana, niandoha ny 10 mey 1991 tany Vohemar izay nitakiana tamin’ny fitondrana Ratsiraka ny tsy hametrahana izany, araka ny voarakitry ny “boky mena” sy ny fitsipahana ilay didim-panjakana 73-014 sy 73-015 navoakan’ny fitondrana Ramanantsoa namerina ny “centralisme” amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. “Tsy fampizarazana ny Malagasy na i Madagasikara ny fametrahana ny faritra federaly.

Vao mainka miantoka ny firaisam-pirenena izany satria samy tompo-marika amin’ny fampandrosoana ny vahoaka Malagasy manerana ny nosy”, hoy kosa ny filohan’ny PMF vondrona politika mivoy ny rafitra federaly, Atoa CST Henry Lecacheur. Ankoatra izay, nahitsy teny ireto mpandala ny rafitra federaly ireto, fa ny zanaky ny faritra “mpisolelaka” ihany no tena olana amin’ny fametrahana ity rafitra ity, satria raha 35 izahay minisitra amin’ny governemanta izao, dia ny 80% dia zanaky ny faritra avokoa, nefa izy ireo no sakana amin’ny fangatahana ny hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka mialoha ny fifidianana rehetra, ka nametrahana ny rafitra federaly ho anisan’ny hisafidianan’ny vahoaka. Ny 09 aprily izao ny tohin’ny dinika eo amin’ny samy minisitra.

 

Rakoutou

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT