Vahinin’ny SOKELA amin’ity anio ity, ny minisitry ny asam-panjakana, ny asa, ary ny lalŕna sosialy, Tabera Randriamanantsoa. Manana ny heviny izy mikasika ireo fitokonana miseho lany etsy sy eroa, toy izany koa ny fifandraisana misy eo anivon’ny governemanta misy azy sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.
Tia Tanindrazana (T.T) : Amin’ny anaran’ny ankolafy inona no maha mpikambana ao amin’ny governemanta anao satria ny Profesora Zafy efa nilaza fa tsy manana solontena ao amin’io fanjakana io ?
Tabera Randriamanantsoa (T.R) : Marina izany voalazanao izany. Ny ankolafy Zafy dia tsy manana minisitra, CT, CST na koa solontena ao anatin’ny CENIT amin’io fitondrana io. Tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitry ny ankolafy Zafy ny fomba itondran’ny filoha Rajoelina an’ity tetezamita ity. Amin’ny Profesora Zafy dia governemanta Rajoelina io mijoro io fa tsy governemanta Beriziky satria manana minisitra amin’ny anarany izy izay tsy voalaza ao anatin’ny tondrozotra akory. Torak’izany koa ny ao amin’ny CT sy CST. Izahay raha niditra tao anatin’io governemanta io dia efa nanao taratasy izy fa tsy misolotena ny ankolafy tarihiny izahay. Tsy resaka toerana mihitsy no mahamaika ny filoha Zafy fa ny famahana ny krizy. Raha izao fitondrana izao dia mbola hisy krizy amin’ny manaraka.
T.T : Raha aminao ary, inona ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy ?
T.R : Mila miverina ambony latabatra satria ilay tondrozotra dia tsy mahavaha olana. Na ihodin-kavia na ihodin-kavanana dia tsy maintsy mivory ireo mpanao politika rehetra, ary eo ambany fiahian’ny SADC. Raha taritina amin’izao fotsiny io dia vao mainka miha gravy indray ny krizy.
T.T : Tsy efa tena gravy ve izao zava-misy izao Atoa minisitra ?
T.R : Mbola gravy ambonin’izao ny hiseho. Efa fambara ratsy io fitokonana etsy sy eroa io ka tokony hihaino ihany izahay mpitondra fanjakana amin’ny fitakian’ny olona sy ny fitakian’ny mpanao politika hiverina an-databatra boribory indray. Raha miziriziry eo dia ho sahirana ny Malagasy.
T.T : Ahoana tokoa ny hevitrao manoloana ireo fitakiana isan-karazany ? Marim-pototra ve izy ireny ?
T.R : Tsara aloha ny manamarika fa ny firenena izay tsy matanjaka ny sendika ao aminy dia tsy mandroso izy izay. Raha momba ireo fitakiana ataon’ny sendika indray dia ara-dalàna eo anatrehan’ny lalàna rehefa tsy manelingelina ny sasany. Ny Ministeran’ny asam-panjakana dia mihaona matetika amin’izy ireo. Ny tena olana eto dia ny tsy fifampihenoana satria rehefa manao fitakiana ry zareo dia lazain’ny mpitondra fa manongam-panjakana ary rehefa mampihatra ny lalàna indray ny mpitondra dia ambaran’ny sendika fa manao didy jadona. Mila mifanakalo hevitra izany ka amboarina aloha ny lalàna izay tsy mifanaraka amin’ny fiainana ankehitriny intsony. Izay vao jerena ny fomba hampiharana azy sy ny enti-manana ilaina amin’izany.
T.T : Nahazo tambinkarama 50.000 Ariary ny SEMPAMA. Ianao anefa toa manakiana ny fomba nanomezana azy io ?
T.R : Tokony hifanarahana ny fanomezana azy io. Nanapa-kevitra samirery ny minisitry ny vola sy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena kanefa tokony hifampiera satria ny fitantanana ny raharaham-panjakana dia miainga aty amin’ny ministeran’ny asam-panjakana. Raha misy didim-panjakana momba ny mpiasam-panjakana dia ato no tokony hamolavola azy. Efa saika tsy hanao sonia iny didim-panjakana ho an’ny mpampianatra iny aho saingy noho ny fiaraha-miasa dia nataoko ihany ilay izy. Manahirana ahy ny fomba fiasa ohatra izany ary izay no nanimba ity firenena ity. Lasa tsy mitovy tantana ny mpiasam-panjakana satria izay matanjatanjaka dia mahazo karama be fa izay malemileny dia kely karama eny na dia mitovy diplaoma izy ireo.
T.T : Midika ve izay teninao teo izay fa tsy misy ny firaisankina eo anivon’ny governemanta ?
T.R : Eo ihany izay fa ny tena tokony hapetraka eto dia ny laminasa mazava izay mamaritra ny anjara asan’ny tsirairay. Tokony ho fantatry ny ministera rehetra fa ny mpiasa any anivon’ny departemanta isanisany any dia an’ny ministeran’ny asam-panjakana daholo saingy tsinjaraina fotsiny. Mila mifandinika amin’ity ministera ity izany izay ministera manana tetikasa momba ny mpiasam-panjakana. Raha ny zava-misy dia samy mikarakara ny mpiasany ny ministera ka lasa ambony karama ohatra ny administera sivily sy ny maro hafa. Dia ahoana izany ny momba ireo mpiasam-panjakana tsotra ?
T.T : Anisan’ny fehin-kevitry ny fiombonamben’ny mpiasam-panjakana ambony ary takiany ny tokony hampitoviana ny marikarama sy ireo tambinkarama isan-karazany ? Ny hevitrao ?
T.R : Marina mihitsy ny fitakian’izy ireo ary manampy anay ato amin’ny ministera izany. Azoko lazaina ho mpanolotsaiko tsy mandray karama ry zareo. Na ny praiminisitra aza tamin’ny filankevitry ny governemanta dia niaiky ny fahamarinan’ny fitakiany. Ny olana fotsiny dia tsy misy vola isika noho ny krizy. Izaho kosa dia nandroso sosokevitra ny hanamboarana aloha ny lalàna ka izay kandida filoham-pirenena manaiky hanatanteraka izay voalazan’ilay lalàna no fidian’ny mpiasam-panjakana. Faharoa dia hamoaka didim-panjakana koa izahay ato izay hamaritra fa mila jerena ny tombontsoan’ny mpiasam-panjakana isaky ny mamolavola ny tetibolam-panjakana. Tsy iandrasana ny fanambarana isaky ny tonontaona fa avy dia ampidirina any anaty karama ny fanondrotana ireo tambikarama.
T.T : Momba ny fandefasana mpiasa any ivelany, firenena iza no azo andefasana dia iza no tsy azo ? Ankoatra izay dia iza koa no manam-pahefana amin’izany, ny ministera tantaninao sa ny ministeran’ny mponina satria nisy ilay fisakanana nataony farany teo ?
T.R : Izay mihitsy no manahirana. Ny «Direction générale de l’emploi» ato aminay no mikarakara ny fandefasana mpiasa any ivelany sy ny fitadiavana asa any. Midika izany fa anay io sehatra io saingy misy ny fiaraha-miasa amin’ny ministera hafa dia ministeran’ny polisy izay manao fanadihadiana ireo mpiasa hakany ivelany, ny ministeran’ny raharaham-bahiny satria tsy maintsy ampahafantarina ny zava-misy ny masoivoho any amin’ilay tany halehan’ny mpiasa ary ny ministeran’ny mponina no farany noho izy mpiahy ny vahoaka. Izahay ihany anefa no tompon’ny teny farany mamoaka ny lisitry ny mpiasa afaka manainga na tsia na koa ny firenena andefasana mpiasa. Misy anefa mitsabatsaka amin’izay asanay izay. Nisy izao ny fanakanana niseho teny anivon’ny polisy misahana ny fanaraha-maso ny sisintany kanefa efa nomeko alalana hiondrana ireo mpiasa Malagasy ireo. Marihiko fa izaho no tompon’andraikitra na sanatria aza misy fahavoazana mahazo azy ireo. Amin’izao dia nofoanako ny mankany Liban fa malalaka kosa ny any Frantsa, Jordanie, Koweit, Maurice ary Seychelles saingy mila fantarina tsara aloha izay handray azy ireny any amin’ny toerana halehany ankoatra ny fankatoavan’ny inspekteran’ny asa eto an-toerana.
T.T : Anatin’ny fanadinana ny INFA. Mbola misy anefa mpianatra tsy nandray vatsim-pianarana ?
T.R : Ny ministera mandray ireny mpianatra ireny no mandoa ny vatsim-pianarany. Efa samy nahazo avokoa ny mpianatra rehetra. Ny hany sisa tsy mbola nahazo dia ireo eo ambany fiahian’ny ministeran’ny varotra. Efa misy anefa fandaminana momba izany.
T.T : Farany, handray anjara amin’ny fifidianana ho avy eo ve ianao ?
T.R : Fifidianana lalàmpanorenana no tokony hatao aloha. Mbola azo aroso ny vahoaka ilay lalampanorenana tamin’ny 17 oktobra 2010 raha ankasitrahany. Izahay kosa izay tsy nandray anjara tamin’iny dia hanolotra lalampanorenana koa izahay. Tsy mety ny fampiasana io lalampanorenana io satria tsy voalaza ao anatiny ny fanendrena ny CT sy ny CST fa depiote sy loholona no ao. Ny andiny faha-30 ao amin’ny tondrozotra milaza fa sokajiana toy ny tsy misy izay fanapahan-kevitra taloha rehetra ka midika izany fa tsy misy koa io lalàmpanorenana io. Rehefa voafidy ny lalàmpanorenana vaovao vao atao ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka. Anjaran’ny ankolafy Zafy no manolotra ny kandidany fa tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny federalista aho satria izahay dia anisan’ny mpikambana ao amin’ny CRN.
T.T : Ny teninao farany Atoa Minisitra ?
T.R : Miantso ny mpanao politika, ny vahoaka ary ny avara-pianarana handinika tsara momba ny hoavin’ny firenena. Aoka mba tena ny tombontsoan’ny besinimaro no tsinjovina fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy. Mbola averiko fa tsy maintsy miverina midinika isika vao tafavoaka amin’ny krizy.
Nangonin’ i Yves
Sary : Tabera Randriamanantsoa, minisitry ny asam-panjakana, ny asa, ary ny lalàna sosialy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.