Politique

Tabera Randriamanantsoa “Manohana 100% ireo hetsi-pitakiana miseho ny CRN”


  • Talata 12 Jolay 2016

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra manoloana ireo fitakiana sy fihetsiketsehana samihafa miseho lany etsy sy eroa.

 

Momba izay dia tsy nisalasala i Tabera Randriamanantsoa nilaza fa “manohana 100% ireo hetsi-pitakiana miseho ankehitriny ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CRN : Comité pour la Réconciliation Nationale)”. Manana ny paikadinay izahay fa “tsy voatery hisehoseho”, hoy ity minisitry ny Asam-panjakana tamin’ny andron’ny tetezamita sady filoha nasionalin’ny antoko Kintana ary kandida filoham-pirenena tamin’ny fifidianana ny taona 2013, ity. Aminy dia vokatry ny tsy fisian’ny fampihavanam-pirenana no fototr’izao savorovoro rehetra mitarika tsy fitoniana izao. Miezaka mandresy lahatra ny mpitondra fanjakana izahay “mba hahay hifampidinika, hifampiresaka fa firenena iaraha-manana ity”, hoy i Tabera Randriamanantsoa nanohy ny fanazavany. Milaza ny hitondra fanitsiana ny volavolan-dalàna mikasika ny fampihavanam-pirenena, indrindra amin’ny andininy faha-13 milaza ny firafitr’io andrimpanjakana io ny CRN. Manamafy i Tabera Randriamanantsoa, fa ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert no tokony hitarika an’io andrimpanjakana. Miantso ny filoham-pirenena handray didim-panjakana manendry ny Pr Zafy Albert amin’izany toerana izany izahay, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Milaza ny hanao fanambarana moa ny CRN raha manao be marenina ny fanjakana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT