Politique

Tabera Randriamanantsoa « Mainty ny ho avin’i Madagasikara. »


  • Talata 12 Martsa 2019

Raha izao no mitohy, hoy ny mpanao politika, Tabera Randriamanantsoa, dia tsy hisy mpandraharaha malagasy intsony ankoatry ny mpitondra eto. Enjehina daholo ny mpandraharaha malagasy.

 

 Ekena fa mety nanao ny tsy mety tokoa izy ireny saingy maninona ny Vazaha Karana sy ny namany no avela amin’izao, hoy izy. Maninona raha mifanatona, hoy ny tenany, dia asaina vahana, ohatra, ny hetra tsy voaloha fa tsy tonga dia adoboka toy ireny ? Hita ho tena mainty ny ho avin’ny Madagasikara ary ilay fitondrana ankehitriny dia manilika raiamandreny. Ho avin’ny firenena tokoa ny tanora saingy hivarina any an-kady raha tsy eo ny Raiamandreny hanoro azy, hoy izy. Mahakasika ny kandida atolotry ny antoko politika Kintana izay tarihiny sy ny vondrona politika VTT ivondronany ihany koa moa dia nilaza izy fa mahasahana ireo distrika miisa 119 izy ireo saingy noho ny sotasota isan-karazany dia ny kandida 3 amin’ireo ihany hatreto no tsy nahitana olana ny dosie. Ny anay izao, hoy izy, ho an’ireo distrika lavitra andriana dia manizingizina mihitsy ny tribonaly fa tokony omena koa ny kopia sy ny fanamarinana ny firenena niaviana (certificat de nationalité) an’ny rain’ilay kandida. Kanefa ny rain’ny kandida sasany misy teraka tamin’ny taona 1928. Ny sasany izany dia rahonana koa hoe efa any ny fanenjehana amin’ny resaka hetra, hoy izy. Mangataka izahay, hoy i Tabera Randriamanantsoa, mba hahemotra ny daty fanaterana dosie ary jerena ny mikasika io vola aloa mitentina 5 tapitrisa ariary tsy demokratika io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT