Politique

Tabera Randriamanantsoa ”Hihaona amin’nyi Dr Simao ny ankolafy Zafy anio”


  • Alakamisy 18 Aogositra 2011

Na dia maromaro ihany aza ny lahateny nilaza ny tsy mahamety ny fihaonanan’ny Ankolafy 3 amin’ny Dr Leonardo Simao tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, dia nilaza kosa i Tabera Randriamanantsoa fa hoe : “Aza gaga ianareo raha ho avy any amin’i Simao izahay ankolafy Zafy rahampitso (anio).

 Nanoratra ho azy ny Profesora ka haka ny valiny izahay. Tsotra ny ao anatin’io taratasy io izay nanomezana dika mitovy ho an’ireo ambasady rehetra eto amintsika : izahay ankolafy Zafy dia tsy manaiky intsony an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita satria sady mpanongam-panjakana izy no nambotry firenena. Ary miara miombon-kevitra amin’izany ny ankolafy roa hafa”. Voalaza teny Behoririka koa fa telo taona latsaka aty aoriana vao afaka maneho hevitra ao amin’i Magro i Moramanga. Hanamaro isa eto izahay amin’ny sabotsy. Namintina izay rehetra izay ny Depiote Mamitiana Ravelonanosy raha nilaza fa : “manadio tanàna isika ny zoma satria andro lehibe ny sabotsy 20 aogositra ary hatomboka mialoha ny hetsika amin’io”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT