Politique

Tabera Randriamanantsoa Hiditra amin’ny «Plan B»


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

Hiditra amin’ny dingana vaovao ny hetsika ataon’i Tabera Randriamanantsoa, ity farany izay mpikambana ao amin’ny ankolafy Zafy voatendry ho minisitry ny asam-panjakana ny asa ary ny lalŕna sosialy.

 Nampiavaka azy, dia ny tsy mbola nanatrehany na filankevitry ny governemanta na filankevitry ny minisitra, nefa dia nandray ny asany amin’ny maha minisitra azy, ary manao sonia taratasim-panjakana. Misy ny taratasy nalefan’ny profesora Zafy any amin’ny Troika, ka miandry ny valin’izany izahay, hoy izy raha nanontaniana. Manindry mafy ny tenany fa tsy iandrasana filankevitry ny governemanta na filankevitry ny minisitra ny famoahana ireo gadra politika sy ny famohana ireo haino aman-jery nakatona ary fiverenan’ireo sesitany politika tsy misy raorao, fa tokony natao avy hatrany araka ny tondrozotra. Nisy ny fifampiresahan’ny profesora Zafy tamin’ny praiminisitra Beriziky mikasika izany ny faran’ny herinandro teo, araka ny fanazavany hatrany, ka ho hita eo. Nambarany fa dia hiditra amin’ny dingana manaraka, “Plan B”, izy amin’ity herinandro ity. Ho avy hamonjy ny filankevitry ny governemanta aho amin’ny talata (rahampitso), hoy ny minisitra Tabera, ka hotakiako mandritra izany ny hamaritana tetiandro hamoahana ireo gadra politika. Hentitra anefa ny tenany, fa tsy mbola hiatrika filankevitry ny minisitra.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT