Fatiantoka ho an’ny firenena izao fanatanterahana ny fihaonamben’ny frankofonia eto amintsika izao, hoy ny mpanao politika, Tabera Randriamanantsoa.
Betsaka ny fandaniana takiana amin’ny fanatontosana azy kanefa mbola manalasala ihany koa ny mamaritra izay tena tombontsoam-pirenena ho azo. Aorian’izao fihaonambe izao dia ahiana mafy, raha ny eritreriny, fa ho sahirana ireo minisitera isanisany amin’ny fanajana araka ny tokony ho izy ny faktioran’ireo mpamatsy azy ireo.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.