Nivoaka nanomboka ny faran`ny herinandro teo ny tolotrasa avy amin`ny fiadidiana ny repoblika.
Natao ho an`ireo manampahaizana sy avara-pianarana vonona ny hitondra ny anjara biriky ho amin`ny fampandrosoana sy hanatanteraka ny vina sy ny veliranon`ny filoham-pirenena. Nitondra ny heviny kosa i Tabera Randriamanantsoa, mpanao politika ka nilaza fa rehefa milatsaka filoham-pirenena dia efa tokony ho fantatra ny olona handrafitra ny ekipany. Nolazaina fa efa vonona ireo teknisianina hanatanteraka ny IEM (Initiative Emergence Madagascar). Tena sambany tamin`ny tantaram-pirenena tokoa. Marina ny an`ny filoham-pirenena amin`ny hoe “izay zavatra tsy vitan`ny teo aloha dia vitaiko”. Tena tsy niomana hitondra izy satria sangisangy no hitantanany ny firenena. Ny toy izao dia mahamenatra manerana an`izao tontolo izao, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.