Tabera Randriamanantsoa

> Ny fifidianana lalŕmpanorenena ihany


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2013


Mbola tsy miova ny hevitry ny ankolafy Zafy Albert tapaka teny Andrefan’Ambohijanahary nandritra ny kongresy notanterahina farany teo ny amin’ny tokony hanaovana fifidianana lalàmpanorenana mialohan’ny fifidianana hafa rehetra eto amin’ny firenena, hoy ny minisitra Tabera Randriamanantsoa tetsy an-tokontany malalaky ny sekoly Esca Antanimena ny sabotsy teo raha nandalo nitsidika ny hetsika Fier-Mada 2013 izy. Izany, hoy izy no tsy nanoloranay ankolafy Zafy Albert mpikambana eo anivon’ny CES satria fitsarana manokana tsy hisahana afa-tsy ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka izy io. Tsy ho tafaditra amin’izay ho sahanin’ny CES araka izany ny resaka lalàmpanorenana. Raha tsy maintsy hotanterahina ihany anefa ny fifidianana filoham-pirenena, hoy i Tabera Randriamanantsoa amin’ny maha-kandidà azy ihany koa, dia nanambarany fa dia hifototra amin’ny fanatanterahana fifidianana lalàmpanorenana ny fampielezan-keviny raha izy no ho lany eo, ary tsy maintsy ho lany moa, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT