Tabera Randriamanantsoa

> Mila mihaona ireo filoha 4


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013

Na dia kandida aza Atoa Tabera Randriamanantsoa dia anisan’ireo olona manana ahiahy betsaka ny amin’ny fifidianana hatrehana afaka roa volana. Hafahafa ny zava-misy eto amintsika hoy izy, fifidianana no atao kanefa tsy mbola misy fitoniana, tsy vita ny fampihavanana.

Aminy ny vahaolana dia ny fampihaonana ireo filoha telo teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita. Samy manana ny fomba fijery sy ny zavatra tadiaviny izy ireo, hoy izy.  Ny profesora Zafy mitaky ny hanaovana fifidianana momba ny lalàmpanorenana, ny amiraly Ratsiraka mitaky ny hanaovana ilay fihaonana an-tampony, Atoa Ravalomanana Marc manizingizina ny amin’ny tokony hampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra ary ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina dia resy lahatra fa ny fifidianana solombavambahoaka no tokony hatao mialoha. Mila atambatra izay karazan-kevitra rehetra izay amin’ny alalan’ny fifampiresahana, hoy i Tabera Randriamanantsoa, dia azo antoka fa hivaha amin’ny ampahany betsaka ny krizy eto amin’ny firenena. Noho izany, dia tokony hotohanana ny hetsika ataon’ny FFKM, satria amin’ny alalan’ny fanaovana io hetsika fampihavanana io no tsy maintsy hipoiran’ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana raha ny heviny. Tsy maintsy mahay mitsinjo lavitra rehefa manao politika, hoy i Tabera Randriamanantsoa ka izany no antony tsy maintsy hifampiresahana handaminana izay zavatra atao rehetra. Resy lahatra ity kandidan’ny antoko Kintana sady olon’ny ankolafy Zafy ity fa mila fitoniana ny fifidianana, ary tsy mbola tara raha tanterahana ilay fihaonana an-tampony. Mazava izao fa manohana tanteraka ny hetsika fampihavanana ataon’ny FFKM ihany  i Tabera Randriamanantsoa. Somary mahagaga ihany anefa ny fihetsik’ity mpanao politika ity, satria manahy izy fa mety hampisavorovoro ny fifidianana, noho ny tsy fisian’ny fitoniana kanefa dia manaiky ny ho kandida ihany izy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT