Tabera Randriamanantsoa

> «Ampodio Ravalomanana dia ataovy aloha ny fampihavanana»


  • Alakamisy 19 Septambra 2013

Betsaka ireo kandida hirotsaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hotanterahina ny 25 Oktobra ho avy io no tsy resy lahatra ny amin'ny tokony hisiany.

Anisan'ireny i Tabera Randriamanantsoa, kandidan’ny antoko Kintana. Nambarany fa fanarahana ny hevitry ny vahiny fotsiny ihany ny fanaovana io fifidianana ny 25 oktobra ho avy io fa tsy safidim-pon'ny Malagasy rehetra. Miezaka ny manampin-tsofina ny CENI-T noho izany, hoy izy ka tsy mihaino ireo mpiray tanindrazana aminy fa ny feon'ny vahiny ihany no nohenoiny. Tsy azo ekena anefa ny fifidianana hatao amboletra tahaka izao, hoy i Tabera Randriamanantsoa satria mety hiteraka voka-dratsy vaovao eto amin'ny firenena indray noho ny tsy fahatomombanan'ny fepetra rehetra mikasika izany. Hevitr'ity kandida ity ny tokony hanohanana hatrany ny fehin-kevitra navoakan'ny FFKM. Hampodiana aloha i Marc Ravalomanana, atao ny fampihavanana sy ny fifamelana izay vao miroso amin'ny fifidianana. Notsindrian'i Tabera Randriamanantsoa moa fa na dia kandida aza ny tenany dia tsy afaka hijery fotsiny ny loza mitatao mety hanjo ny mpiara-belona aminy fa tsy maintsy mandray ny andraikiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT