Tsy hitondra vokatsoa ho antsika Malagasy ny fitrosana fa vao mainka hampahantra.
Mila atao mangaraharaha ny zava-drehetra toy ny famerenana ny vola sy ny zana-bola alain’ny vahiny. Matoa ny vahiny mampindrana vola dia misy tombontsoa goavana ho azy ao, hoy ny minisitra teo aloha sady filohan’ny antoko politika Kintana Tabera Randriamanantsoa. Nohamafisiny ihany koa fa tsy mikendry afa tsy ny hampahantra ny firenena amin’ny fomba rehetra ny vahiny mba hahafahany mitrandraka ny harena eto avy eo. Raha mbola toy izao ny rafitra eto amin’ny firenena, dia tsy hisy fampandrosoana vanona na hitosaka aza ny vola sy ny trosa. Mivangongo amina toerana iray ny vola ary samy mikepoka ny mpitondra, raha halalinina ny fanehoan-keviny. Tokony hiainga any ifotony ny fampandrosoana ary zava-dehibe ny fanomezana lanja ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mila apetraka ny lamina ahafahan’ny faritra sy ny kaominina mindrana sy misitraka amin’ny fampiasana vola. Ankoatra ny fametrahana ny mangarahara eto amin’ny firenena dia zava-dehibe ny fanomezan-danja sy fakana ny hevi-bahoaka ahafaha-mamolavola izay tena fampandrosoana tadiavin’ny rehetra.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.