Nihaona tamin’ireo mpanara-dia sy mpanohana azy ary ny vahoakan’Antananarivo ny kandidà Sylvain Rabetsaroana omaly alahady 20 oktobra 2013.
Tokony hampiasa ny Coliseum Antsonjombe ity kandida ity, araka ny antsapaka nataon’ny CENIT, saingy efa voafandriky ny katolika avy amin’ny Vikaria Episkopaly Afovoany Diosezin’Antananarivo hanaovana fanompoam-pivavahana mialoha io toerana io, ka dia natolony ny fiangonana katolika. Tsy nohadinoin’ireo tomponan’andraikitry ny fiangonana moa ny nisaotra sy nankasitraka azy tamin’izany fihetsika izany. Tonga nanotrona sy niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino katolika tao amin’ny Coliseum mihitsy i Sylvain Rabetsaroana tamin’io omaly io, ary izy sy ny kandidàn’Ny Avana Robinson Jean Louis ary tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ihany no tonga tao sy nifamihana tanteraka, fa mba tsaroan’ity kandidàn’ny PNJ-Mazava ity ny tenin’ny kandidà Robinson tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray tamin’ny zoma teo fa izy no «favori» mety hiatrika ny fihodinana faharoa miaraka aminy. Avy eo amin’ny Coliseum dia nihazo an’Andrefan’Ambohijanahary, foibe toeran’ny PNJ MAZAVA izay namindrana ny hetsika ny kandidà Rabetsaroana Sylvain sy ny mpanohana azy izay tonga maro tokoa. Nisy avy eo ny diabe nitandavana natao nanomboka teo Soanierana, nihazo an’Anosy, Ampefiloha, Antaninarenina hatrany Analakely notarihan’ity kandidà laharana 39 ity izay nialany tsiny tamin’ny vahoakan’Antananarivo noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana naterak’izany na dia nahazoany alalana mazava aza izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.