Politique

“Strapontin» amin’ny Taksibe Hararaotin’ny resevera hisafoana fitombenam-behivavy


  • Alatsinainy 03 Septambra 2012

Saika mampiasa irony seza mikopaka na “strapontin” irony ny ankamaroan’ireo fiara fitaterana miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 Mba hahafahan’ny mpandeha mipetraka afovoany no anton’iny saingy ny mampalahelo dia maro amin’ireo vehivavy mpandeha no hiharan’ny fanararaotana an-kolaka vokatr’izany. Misy amin’ireo receveur mantsy, toy ny hita tamina zotra-pitaterana iray no mampiasa ireny seza hazo ireny mba hikapohana ny fen’ilay vehivavy mipetraka amin’ny sisiny na ny fitombenany mihitsy. Mody manaitra ilay vehivavy izy mba hametrahany ilay “strapontin” nefa sady manararaotra ihany koa. Ireo vehivavy botabota manana fe lehibe no tena voan’izany matetika, araka ny fitarainana voaray.

Toraka izany koa ireo mpandeha lehilahy sasany hipetraka amin’ny “strapontin”. Mody miditra ny sasany amin’izy ireny nefa manararaotra mikapokapoka ny fen’ilay vehivavy eo akaiky ihany koa hanamboarany ilay seza hipetrahany. Tokony hisy ihany ny fijerena akaiky mikasika ireny toe-javatra ireny. Sady mahamenatra mantsy ny fihetsika tahaka izany no mety ahitan-doza ihany. Soa ihany aloha fa tsy misy intsony ny taksibe mifanosika ahitana mpandeha mitsangana marobe, fa fanararaotan’ny lehilahy sasany hanaovany ny filan-dratsiny koa mantsy io.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT