Orinasa isan’ny matanjaka ary na izao tontolo izao aza miaiky azy ny orinasan’ny filoha mpanorina ny antoko Tiako Madagasikara, Tiko.
Ny fitondrana Rajaonarimampianina ihany no namela ny fisokafany tamin’ny fiadohan’ny fitondrany. Ankehitriny dia lazaina fa tsy manana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana anefa izany ka tsy azo sokafana. Etsy ankilany anefa dia misy orinasa maro manimba ny rivotra iainan’ireo mponina ao Andranomanelatra koa ka mampitaraina azy ireo saingy dia io tsy kitikitihana io mihitsy. Efa afa-baraka koa ny fitondram-panjakana raha nanao fisavana ka tsy nahita izay azo kianina tamin’ny famatsian-jiron’ny tiko AAA. Toy izany koa ny nikasika ny taratasin’ny orinasa. Vakiana fotsiny araka izany fa sotasota tsotra izao no atao amin’i Marc Ravalomanana ka na dia ireo malagasy an’aliny velomin’ity orinasa ity aza dia any ivohon’ny mpitondra avokoa fa izay 1 tian’ny filohan’ny antoko TIM dia na hanao politika na hanavotra ny orinasany. Mampahatsiahy ilay tenin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany Antsiranana nandritry ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny FJKM hoe « Alao anao ny fitondrana ny fiangonana fa efa anay ny fitondrana ny fanjakana. » Na ny fandaharana « fotoam-bita » farany teo aza moa dia hita ho nanokanana minitra maromaro mihitsy hanaratsiana an-dRavalomanana fotsiny izay zary dokam-barotra maimaim-poana ho an’ity farany ihany anefa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.