Politique

Sori-dalana Tadiavin’ny sasany havilivily


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

Samy mandray araka izay mahamety azy ny sori-dalana ny mpanao politika.

 Tsy vao androany no nandrenesana izany saingy ny mampanontany tena dia ny fikasana indray hampiditra azy ao anatin’ny lalàmpanorenana lazaina fa nofidiam-bahoaka tamin’ny taon-dasa. Raha ny nambara hatramin’izay dia fankatoavana ny sori-dalana ka hamadika azy ho lalàna feno hitondrana ny tetezamita no tokony hirosoan’ny Parlemanta roa tonta. Niova indray anefa ilay izy ankehitriny. Araka ny voalazan’ilay naoty manolotra ny antontan-taratasy mantsy dia tsy ho “ratification” na fankatoavana indray no hatao fa “insertion”, izany hoe fampidirana ny sori-dalana ho ao anaty lalàmpanorenana.

Mazava moa ny an’ny ankolafy Ravalomanana ny resaka : “Aza resahina ny lalàmpanorenana fa tsy misy dikany izany. Na isika miaraka na misaraka”, hoy ny CT Rostand Andriampilamanana. Ny lalàmpanorenan’ny tetezamita dia ny sori-dalana ihany koa aoka izay ny hafetsifetsena, hoy izy nanohy. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana moa dia tsotra ny resaka. Raha nisotro ny aleoko maty ny amin’ny tsy hamerenana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana i Andry Rajoelina sy ny tariny dia efa misotro ny aleoko maty hamerenana io filoha lanim-bahoaka io kosa ny ankolafy Ravalomanana sy ireo mpitolona mpiara-dia aminy ka sady tsy hatory no tsy hanaiky lembenana fa hiady hatramin’ny farany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT