«Rehefa tsy hanatanteraka ny sori-dalana dia tsy hitako izay hijanonana ao amin'io governemanta io».
Atoa Marc Ravalomanana no nanambara tamin’ny antso an-tariby izany tetsy amin'ny Kianjan'ny Magro omaly tolakandro. Raha ny fandrenesana azy dia tafintohina ary nisendaotra mihitsy ny filoha manoloana ny fikitikitihana ny zanany lahiaivo, Tojo Ravalomanana. “Tadiavin'ny sasany hanaovana hetraketraka sy hampitahorana ary samborina ny zanako”, hoy izy. Raha ny vaovao nampitain'ny filoha Ravalomanana ihany dia any amin'ny masoivohon'i Afrika Atsimo no mialokaloka i Tojo Ravalomanana ankehitriny. «Tsy hanaiky izany mihitsy aho. Mamoafady izany hoe Malagasy no mipetraka amin'ny tranon'ny vahiny eto Madagasikara satria hoe matahotra ny mpiray tanindrazana aminy satria hosamborin'ireo tsy mataho-tody», hoy ihany i Marc Ravalomanana. Nanantena ny fampiharan'ny governemanta Beriziky ny sori-dalana ny tenany kanefa dia diso fanantenana manoloana ny zava-misy.
Manoloana izany indrindra dia niantso ireo avy amin'ny ankolafy Ravalomanana izay lasa mpikambana eo anivon'ny governemanta sy ireo ho mpikambana eo anivon'ny kongresy sy ny filankevitra ambonin'ny tetezamita ny tenany mba hametraka mazava tsara ny fitsipi-dalao. «Ny mifamitaka tsy tsara, ny misabaka koa tsy mety», hoy ihany izy. Nanambara moa ny tenany fa ho avy tsy ho ela eto an-tanindrazana ka ho hita eo izay hanaovana azy. Nanome toromarika ho an'ireo mpiara-dia aminy etsy amin'ny Magro moa ny tenany fa tsy mijanona ary tsy hijanona mihitsy ny tolona raha tsy izy ihany no manome ny torolalana ho amin'izany. «Tsy hamelantsika raha tsy miverina eto Madagasikara ny filaminana, ny fampandrosoana, ny fandriampahalemana ary ny fampihavanana ary dia tsy hanaiky lembenana isika», hoy ihany izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.