Politique

Sori-dalan’ny tetezamita Tandindomin-doza amin-dRajoelina


  • Alarobia 08 Febroary 2012

Ny taona marina no miova, fa raha ny zava-misy eo amin’ny fitantanana ny firenena dia mbola ny teo ihany no miverina.

 Tsy vonona amin’ny fametrahana fitoniana sy ny fiaraha-mitantana ary ny fampihavanam-pirenena mihitsy ny filohan’ny tetezamita i Andry Nirina Rajoelina, raha ny kabariny teny Ambohitsorohitra omaly no dinihana. Hoy indrindra mantsy izy : “…mino isika fa efa maty ireo nahavanon-doza, namono ny Malagasy, efa maty izy ireo na dia mbola velona aza… ary tsy havelantsika hitondra ny firenena intsony izy ireo”. Tsy misy fehezanteny mazava sy mahitsy noho izany, fa dia nivaky izany eto ny filohan’ny tetezamita fa tsy hamela an’i Marc Ravalomanana hiverina eto Madagasikara izany, ary tsy hanaiky ny filatsahan-kofidiany ihany koa. Efa nampoizin’ny maro ihany izy io, saingy izao moa vao niteny mazava tsara mihitsy i Andry Rajoelina hoe : tsy avela hitondra ny firenena intsony ny mpitondra teo aloha.

Mifandray sy mifampiankina avokoa ny zava-nitranga rehetra hatramin’izay, ary mazava ny tanjona fa dia ny famotehana tanteraka an’i Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ary ny fananany. Rehefa tsy afa-mihetsika intsony mantsy i Dada dia mety ho mora ny hanasa ny atidohan’ireo zanany. Mbola eo aza moa izy, efa misy ny sahy mamadika palitao. Niandry kabary hampihavana sy hampiombona ny mpiray firenena ny maro, tamin’io omaly io, kinanjo fihantsiana sy fandrahonana ary fanamafisana ny fizarazarana ho ankolafy no nataon’ny filohan’ny tetezamita. Atao ahoana moa fa mety efa jamban’ny 200 000 Ar isam-bolana angamba ireo mpiray tanindrazana sasany, fa dia nandray izany an-kafaliana, sy tamin’ny tehaka mirefodrefotra. Samy nahazo ny anjarany tamin’i Andry Rajoelina io omaly io, ny filoha teo aloha mirahalahy, dia i Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Ny iray nambara fa namono olona tamin’ny 1991, ny iray nanome baiko ny miaramila hitifitra teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009.

Ny nahagaga kely fotsiny dia navela niditra malalaka teto Madagasikara ny amiraly Ratsiraka, raha nikarohana ny paikady rehetra kosa ny fanakanana ny fodian’ny filoha Ravalomanana. Izay ny zava-misy, miha tandindomin-doza hatrany ny fampiharana ny sori-dalana, noho iny kabary feno fihantsiana nataon’ny filohan’ny FAT omaly iny. Mazava izao ny hevitr’i Andry Rajoelina fa tsy tafody eto Madagasikara izany ingahy Ravalomanana raha mbola manampahefana mitantana ny tetezamita izy. Ho fahirano eto izany ny Malagasy sy i Madagasikara, koa asa izay ho fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena satria dia fihantsiana azy ireo koa ny zava-misy, sady fanitsakitsahana ny zon’olombelona tsotra izao ihany koa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT