Politique

Sora-bola momba ny tsenam-panjakana An-jatony miliara mampisavorovoro


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Niteraka resabe sy nampisavorovo saim-bahoaka ny fivoahan’ny atontan’isa mirakitra ny fampiasam-bola amina tsenam-baro-panjakana ho an’ny taona 2016, hita tao amin’ny tranokalan’ny sampandraharaha mitantana sy manara-maso ny resaka Tsenan’asam-panjakana na ny ARMP (armp.mg).

Efa ho an’arivony pejy ny resaka tsenan’asam-panjakana nosoratana miaraka amin’ny vola ilaina, izay maro no mandray ny sasany amin’izany ho mifono kolikoly avo lenta sy fandrobana volam-panjakana amin’ny fomba mihaja, dia ny fampidanganana ny vola ambara fa ilaina. Voasoratra fa mitentina 1 111 871 552 694,16Ar ny fampihodinan-daraharaha sy famatsiana ara-bola tetikasa. Ny filan’ny Hopitaly CHU ao Tambohobe Fianarantsoa, ohatra, dia 158 261 323 819,40Ar. Ny vidina piesy sy saran’ny fikojakojana ny fiaran’ny DPSP ao amin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka dia voasoratra fa 7 186 000 000Ar; Mahatratra 13 450 000 000Ar ny sora-bola vidin’ny fitaovana sy kojakoja anaty Birao an’ny Cisco Ambatoboeny ; 9 992 500 000Ar ny fividianana kojakoja ara-informatika (35 Encres canon 41 couleur) an’ny minisiteran’ny rano,... Ninianay ny tsy namaly satria mbola hojerenay sy hohamarininay amin’ny antsipirihany ireny zavatra ireny satria indraindray mety hisy fahadisoana kely amin’ny fanoratana, indrindra eo amin’ny tarehimarika, ary ireny dia tsy maintsy mandalo fitiliana sy fanamarinana, hoy ny Tomponandraikitry iray ao amin’ny ARMP, tamin’ny fakam-baovao natao taminy. Tsy voatery hoe zavatra tena mandeha ireny, fa mety ho fandraisana an-tsoratra na “saisie” fotsiny.  Tsy midika ho efa nivoaka marina ny vola, ary azo heverina ihany koa ho tsenam-panjakana nolavina ireny, raha ny fanampim-panazavany. Nambarany fa ny tena tompon’antoka amin’ireny raha sanatria ka tena nisy marina fandaniana nihoapampana dia teo anivon’ilay minisitera na sampandraharaham-panjakana no tena nanao ilay tsy mety. Sahiko ny miteny fa tsy handalo fotsiny na tsy ho hita maso mihitsy ireny raha tena misy tokoa satria mbola mandalo amin’ny kaomisionina momba ny tsenam-panjakana ny fanaovana fifanekena na “engagement” ary tsy azo dinganina ny sampandraharaha mpanara-maso ny toe-bola na ny “Contrôle Financier”. Tsy maintsy ho hita ireny raha tena marina tokoa, hoy izy. Resaka tahaka izao no nahasaringotra an’i Claudine Razaimamonjy, ka mahatonga ny olona mety tsy hahatoky sy tsy hihaino izay mety ho fanazavana tahaka izao. Tsy vaovao amin’ny rehetra intsony mantsy ny kolikoly avo lenta sy afera maloton’ny fanjakana HVM.

Toky R                                               

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT