Politique

Sonia ny tondrozotra Izay tsy miteny tsy namako !


  • Talata 06 Septambra 2011

Manao ranolava ny fanambarana fahavononana hanao sonia ny sori-dalana (?) avy amin’ireo vondrona nanao rangopohy teny Ivato tamin’ny martsa 2011, taorian’ny fanambarana nataon’i Andry Rajoelina ny 31 aogositra teo fa hiroso amin’ny fanaovan-tsonia na misy na tsy misy SADC.

 Na tsy ofisialy aza dia nilaza ny fahavononany hiroso amin’izany ny UDR-C, toy izany koa ny TGV, efa nanao ny azy koa ny tari-dRaharinaivo Andrianatoandro ary vao omaly no nanao rodobe ny V8 nilaza fa hanao sonia. Ity no tonga amin’ilay fitenenana hoe izay tsy miteny tsy namako. Hisy rahateo ny mety fanavaozan-drafitra sy mpikambana eny amin’ny andrim-panjakana eny, raha hiroso samirery amin’izany sonia ny sori-dalana izany i Andry Rajoelina, ka maro ireo matahotra ho very seza ka mihazakazaka manao fanambarana.

Omaly dia nipoitra indray izany vondrona politika nisintaka tamin’ny ankolafy Ravalomanana na GMMR (Groupement issu de la Mouvance Marc Ravalomanana), tarihin’i Yves Aimé Rakotoarison izany. Milaza koa ry zareo fa hanao sonia ny tondrozotra nasiam-panitsiana mba hivoahana amin’izao krizy lavareny iainan’ny firenena izao. Hatreto aloha dia tsy voafaritra mazava ny hoe tondrozotra nasiam-panitsiana taiza na nataon’iza fa izay tonga eo fotsiny, raha ny fanamarihan’i Yves Aimé Rakotoarison. Ny fifaranan’ny krizy no fanantenan’ny GMMR, izay antony indrindra nanosika azy ireto hanapa-kevitra hanao sonia ny tondrozotra. Mikasika ny anarana entin’izy ireto hanatanteraka io sonia io kosa indray dia nanamafy i Yves Aimé sy ireo mpiara-dia aminy ao amin’ity vondrona nisintaka tamin’ny ankolafy Ravalomanana ity fa io GMMR io no efa nentina nanao ny rangopohy ka io ihany no anarana saloran’izy ireo.

Tsy vao ela akory anefa fa tamin’ny herinandro lasa teo no nitondra ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana ny ekipan’ity minisitry ny tetezamita ity nandritra ny famoriana ireo mpanao politika nataon’ny Raiamandreny Mijoro tetsy Ivato. Manoloana ny filazan’ny filoha Ravalomanana mikasika azy kosa, dia nilaza ny tenany fa tsy mbola niteny na nitsipaka mivantana taminy ny filoha Marc Ravalomanana. "Izay sahy mitsangàna hilaza fa tsy anisan’ny mpitarika tao amin’ny ankolafy Ravalomanana ny tenako. Raha nisy ny nitarika voalohany dia mba anisany izahay GMMR", hoy izy nanamafy. Tsy fantatra izay tena tanjona tian’i Yves Aimé Rakotoarison hahatongavana tamin’izany teniny izany, fa raha ny fahitan’ny maro azy dia toa mitetika ny hisabaka ity vondrona vaovao ity. Nanamafy ihany koa mantsy ny tenany fa ny fanaovany sonia tsy midika ho fanohanana na famadihana an’iza n’iza, fa fikatsahana ny tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT