Politique

Sonia ny tondrozotra Hiandry ny Troďka ny V8


  • Talata 06 Septambra 2011

Raha nanambara ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, ny 31 aogositra lasa teo fa hotanterahana ato ho ato ny sonian’ny sori-dalana na misy na tsy misy SADC, dia niova indray izany ka lasa hiandry ireo Troďka indray amin’ny fanapahan-kevitra farany.

 Niara-nifanaiky indray mantsy ry zareo V8, dia ireo vondrona valo nanao rangopohy teny Ivato rehefa avy nifampidinika tamin’i Andry Rajoelina teny Iavoloha omaly maraina, fa hiara-kanao sonia ny sori-dalana rehefa tonga eto ireo Iraka avy any ivelany. Araka ny nambaran’i Pety Rakotoniaina, nitondra tenin’izy ireo tao Antaninarenina, omaly dia zava-dehibe ny anjara andraikitry ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny famahana ny olana eto amintsika. Araka izany, dia nanangana komity izy ireo hifanatona handresy lahatra ny Ankolafy telo. Komity izay ahitana olona telo avy isam-bondrona raha ny fanamarihana. Tsy fotoana fizahozahoana intsony mantsy izao raha ny nambaran’i Pety Rakotoniaina ihany, fa fampandeferana ny hambompo rehetra mihitsy. Anisan’ny nanamarika ity fanapahan-kevitra niraisana ity ihany koa ny tsy hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity.

Voalaza ihany koa fa mandritra ny fotoana hanatanterahana ny sonian’io tondrozotra nasiam-panovana io no hanapaka ny tetiandrom-pifidianana izy ireo, hamita ny lisi-pifidianana, hanitsy ny rafitry ny CENI, hamita ny famotsoran-keloka, hanapaka ny fanovanana fanitsiana ny rafi-pitondrana tetezamita ihany koa. Tsy nisy namaritra ihany koa anefa tamin’ireto vondrona ireto ny hoe ilay tondrozotra nasiam-panovana amin’ny endriny manao ahoana ity hosoniavina ity. Ity farany izay anisan’ny manintona ny sain’ny maro ankehitriny.

Tsinjo tamin’ny fihaonan’ny V8 tamin’ny mpanao gazety omaly fa nisy tsy fifanarahana ihany tamin’ireo vondrona sasany izay nipatitaka, toy ny Escopol sy ny HPM. Tsy nisy nahazoana fanazavana anefa izy ireo.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT