Raikitra ny fifanolanana sy ny fifandrahonana any an-dapa amin’izao fotoana. Antony ny fikatsahan’ny HVM handamina ny kajy politikany amin’ny alalan’ny fanoloana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.
Efa nisehoan’izany ny teo anivon’ny antenimierandoholona, ka nanesorana an’i Honoré Rakotomanana sy nametrahana an’i Rivo Rakotovao. Efa tonga hatrany amin’ny antenimieram-pirenena sy ny praiminisitra io resaka io, saingy tsy mety tanteraka hatreto. Ny teny Tsimbazaza moa dia efa novoizina ny hanonganana an’i Jean Max Rakotomamonjy, avy eo nivadika tany amin’ny Birao maharitra manontolo, ary niafara tamin’ny ampahany tamin’ny birao maharitra, no tokony hesorina. Nangina tanteraka iny resaka iny. Ny mikasika ny praiminisitra ihany koa torak’izany hoe amin’ity volana desambra ity no tsy maintsy hesorina i Mahafaly Solonandrasana Olivier, araka ny loharanom-baovao avy any anaty lapa any, saingy mbola eo ihany aloha. Hatreny Tsimbazaza no nisian’ny depiote iray efa nitarika an-kolaka ny rehetra hanongana azy saingy nangina. Tsy ny praiminisitra ihany fa mpikambana maro ao anatin’ny governemanta. Olona ao anaty fitondrana ao ihany no voalaza fa mpaniraka sy mpanakarama. Efa nivoaka ny resaka fa ny jeneraly Ralala Roger Sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika no mety hasolo azy.
Valy bontana
Tsy mipetra-potsiny ihany koa anefa ireo olona voaresaka fa mamaly bontana. Valin-tenin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier hatrany ny hoe: asa no hasolonay ny fanakianana, izay milaza fa miasa sy manao ny andraikiny ka tsy azo esorina. Tsy hanaiky akisaka tsimoramora tahaka ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo i Solonandrasana Mahafaly izay mahalala zavatra maro momba ny fitantanan’ny HVM ny firenena. Maka tsy taitra koa i Jean Max Rakotomamonjy, olon’ny Leader Fanilo lasa nanohana HVM ary tsy hanaiky ny hikitikitihana azy eny Tsimbazaza. Sahiran-tsaina ny filoham-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy amin’ireo ngeza lahy roa ireo, izay tsy dia atokisana intsony ho namana kanefa tsy azo atao fahavalo ihany koa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.