Politique

Solonandrasana Mahalafy Olivier Praiminisitra hanompo HVM


  • Alatsinainy 11 Aprily 2016

Voatendry omaly ho praiminisitra Atoa Solonandrasana Mahalafy Olivier. Praiminisitra faha-21 tato anatin’ny Repoblika izy, ary faha-3 ato amin’ny fitondran’Atoa Hery Rajaonarimampianina. Haingana

 

 tsy toy ireo roa teo aloha, tato anatin’izao Repoblika faha-4 izao, ny fanendrena tamin’ity indray mitoraka ity, 48 ora taorian’ny fametraham-pialan’ny governemantan’ny praiminsitra Ravelonarivo Jean ny zoma 8 aprily dia efa voatendry. Adiny dimy taorian’ny fanoloran’ny delegasiona solombavambahoaka niisa 16, tarihin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max, tamin’ny filohan’ny Repoblika omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro, ny lisitra misy anaran’ireo te ho praminisitra, dia voatendry ny praiminisitra. Raha izay fihazakazahana izay nozohina dia hanao fahagagana ity praiminisitra vao notendrena ity. Tsy olom-baovao moa izy fa efa mpikambana tao amin’ny governemanta Ravelonarivo, minisitry ny Atitany. Olona anisan’ny itokisan’ny filoham-pirenena mivady, Atoa Solonandrasana Mahalafy Olivier ary voasedra tamin’ny fahombiazan’ny antoko HVM tamin’ireo fifidianana Ben’ny tanàna sy Senatera natao tamin’ny 2015 iny. Raha resaka fifidianana izany dia efa any aminy ny lakile. Fepetra avy aminy no nandrarana ny fametrahana sary sy anarana tamin’ny biletam-pifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny 31 jolay 2015. Amin’izao fanendrena azy ho praiminisitra izao dia mety hiverina indray rehefa tsy tontosa tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo, ny hisian’ny Ben’ny tanàna enina, iray isaky ny Boriborintany, eto Antananarivo Renivohitra. Fony Atoa Solonandrasana Mahalafy Olivier minisitry ny Atitany no nirosoan’i Madagasikra amin’ny fanovana ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara ho itony atao hoe : “biométrique”... Saika tanterany avokoa izay iraka nampanaovina azy.

Asa goavam-be

Asa goavana miandry ny governemanta tarihiny ny fandavorariana ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriambe faha-16 an’ny Frankôfônia sy ny fihaonana an-tampon’ny COMESA amin’ity taona 2016 ity. Eo ny famerenana ny fitokisan’ireo mpamatsy vola mba hivoahan’ny famatsiam-bola ho an’i Madagasikara, ary koa hamitrana ny fiaraha-miombon’antoka amin’ireo mpandraharaha tsy miankina hampiainga ny toekarena anatiny. Hiantoka ny fisian’ny fitoniana politika ihany koa izy, hanao izay hanjakan’ny fandriampahalemana manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Miandry ny governemantany koa ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ireo trafika maro isan-karazany mamotika ny toekarena Malagasy. Asa miandry an’Atoa Solonandrasana Mahalafy Olivier ihany koa ny fanafainganana ny fananganana ireo andrimpanjakana voafaritry ny lalàmpanorenana, toy ny “Haute Cour de Justice”. Raha ny habetsaky ny asa miandry ny governemanta Solonandrasana Mahalafy Olivier dia fahagagana mihitsy no andrasan’ny filohan’ny Repoblika aminy.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT