Politique

Solombavambahoakan’i Tana V Hanao poa-droa no fanambin’ny TIM


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Tafapetraka soa aman-tsara ny sabotsy teo ny antontan-taratasy. Dingana voalohany no vita fa mbola hisy ny fivoriana isan’ambaratongany hoenti-manomana ny hoavy ary mbola ao anatin’ny tsiambaratelon’ny antoko aloha hatreto,

 

 

 

 hoy ny kandida Ralambozafimbololona Fetra, izay lohalisitra hofidiana depiote avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eny amin’ny boriborintany faha-5 eto Antananarivo. Efa ela isika no vonona, ary ary efa niomana fatratra ny ao anatin’ny boriborintany faha-5 amin’ny fifidianana mifandimby, izay iraisan’ny TIM rehetra io, hoy izy. Porofo mitohaka amin’ny tenda amin’ny fahamatorana ara-politikan’ny antoko TIM ny fahatafapetrahana ny taratasy filantsahan-kofidiana ary vonona ny vahoaka sy ny kandida ary ny ekipa rehetra hiatrika ny fifidianana solombavambahoaka, hoy kosa Ramboavelo Andrianantenaina Jocelyn Willy na « Chief Naina » no hahafantaran’ny mpikatroka TIM azy, izay lisitra faharoa.  Mino izahay, hoy izy, fa hizotra an-tsakany sy an-davany ny raharaham-pifidianana ary manao antso avo amin’ny fanjakana mahefa mba tena hadio mangaraharaha ny fandrindrana fifidianana. Tsapa tokoa ny fiaraha-mientan’ny TIM ao anatin’ny boriborintany faha-5, ary tsy miasa irery izahay fa miera-nisalahy ny rehetra teo amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy, ary efa miomana amin’ny dingana manaraka, hoy kosa Rambeloarisoa Réné Solonirina, mpisolotena na « mandataire »-n’ny kandida. Hanao poa-droa no fanambin’ny TIM ao anatin’ny boriborintany faha-5 amin’izao fifidianana izao, ka miomana fatratra izy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT