Ao anatin’ny fivoriana ara-potoana ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny. Betsaka ny zavatra andrasana amin’izy ireo toy ny fandaniana ny LFI 2020, fandrafetana ireo mpikambana eo anivon’ny HCJ…
Ny lalàmpanorenana dia mamaritra ny fizarana telo eo anivon’ny fahefana : mpanatanteraka, mpanao lalàna, fahefam-pitsarana. Matoa napetraka ireo dia mila fifandajana ireo fahefana ireo mba handeha ilay firenena. Inona moa no asan’ny solombavambahoaka ? Voalohany, manara-maso ny fanatanterahana ny asa eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka sy fitsarana. Faharoa, mandany ny tetibolam-panjakana hiasan’ny firenena ao anatin’ny taona iray. Farany, mitondra fampandrosoana maro samihafa any amin’ny distrika nandany azy. Ny zavatra tokony hataony dia ny fanajany andraikitra nomena azy. Nofidiana hisolotena vahoaka sy hanara-maso ireo zavatra voatanisa etsy ambony izy ireny fa tsy natao hanangan-tanana fotsiny. Raha tsy hanao izany dia tsara raha mametra-pialana na atao izay hahatonga saina azy ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.