Politique

Solombavambahoaka TIM “Miditra krizy i Madagasikara”


  • Alarobia 16 Oktobra 2019

Niditra amin’ny fivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena ka afaka hampita ny heviny ireo depiote Tiako I Madagasikara (TIM)

 

mikasika ny raharaham-pirenena. Fotoana hamolavolana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana lasitra ho amin’ny taona 2020 ity fivoriana ity ka tokony hahitana taratra ny zavatra rehetra mifandray amin’ny politikam-panjakana ankapobeny mikasika ny sosialim-bahoaka izay heverinay fa ho laharam-pahamehana manoloana ny zavatra rehetra hatao, hoy i Hanitra Razafimanantsoa, solombavambahoaka TIM. Tafiditra tanteraka ao anaty krizy ara-toekarena sy sosialy isika, hoy izy. Ny rano fisotro madio, ohatra, dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny tsy fisiany sy tsy fahampiany maneran’i Madagasikara. Tsy andro, tsy alina no manangon-drano ka samy tratra izany na faritra avo na koa iva ary filaharam-be. Momba ny fahasalam-bahaoka dia tsy misy izay tsy mitaraina amin’ireny tobim-pahasalamana ireny fa rehefa tsy manam-bola dia tsy afaka mitsabo tena. Aleon’ireo tsy manam-bola miatrika aretina sy fahafatesana mihitsy aza any an-tranony. Ny fampianarana, maro ireo ankizy tsy mianatra noho ny halafosan’ny saram-pampianarana. Manampy trotraka ny tsy filaminana sy ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy. Ireny dia laharam-pahamehana tokony ho hita taratra ao anatin’ny LFI 2020. Laharam-pahamehana ao anatin’ny PGE tokoa ve ny sosialy ? Mifanaraka amin’izany ve ny tetibolan’ireo minisitera ? Ny fantatra aloha dia maro be ny tetibola nahena ho an’ny sosialim-bahoaka. Mikasika ny toekarena dia mitombo hatrany ny tsy fisian’ny asa, 9 volana aty aorian’ireo fampanantenana  nataon’ny Filoham-pirenena. Hitantsika etsy sy eroa ny tenany toy ny hoe miasa mihitsy saingy lasa manitsaka ny governemanta sy ireo minisitra tomponandraikitra izy. Tsy fantatra intsony ny fanapahan-kevitra atao fa toa raisin’ny fiadidian’ny Repoblika ireo asa, hany ka manaraka fotsiny ireo minisitera ka manadino  ireo laharam-pahamehana. Ny vahaolana, hoy ihany izy, dia ny fijerena ny vola mifanandrify amin’ireo sy izay heverina ho maika. Noho izany, laharam-pahamehana ny LFI 2020 ho an’ny antoko TIM.  Hisy fifandanjana tokoa ve ? Ao no ahitanay  ny tena finiavan’ny fitondram-panjakana hanamaivana ny sosialim-bahoaka sy ialana amin’izao krizy izao, hoy hatrany i Hanitra Razafimanantsoa.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT