Politique

Solombavambahoaka Malagasy Tsy mba mijery lavitra


  • Zoma 26 Janoary 2018

Miady mafy ny hantsoina ho “solombavambahoakan’i Madagasikara” voafidy tatsy na taroa ny depiote eto amintsika. Rehefa mandeha anefa ny fihaonana amin’ny governemanta na ny mitovitovy amin’izany, dia mandeha ny hoe: “ny any aminay tahaka izao sy izao”, ka rehefa tsy izay “ny anay sy ny any aminay” izay, dia tsy misy mpiraharaha firy ny zavatra atao.

Tsy mahita afa tsy ny ambany maso, fa tsy mba manana vina sy fijery lavitra, hany ka ny kitoatoa sy petatoko no betsaka. Mandinika ny tolo-dalàna hampandrosoana ny firenena sy mpanao lalàna no tena iandraketan’ny antenimiera, saingy toa mivaona lavitra. Tsy hiverenana intsony ny resaka fandaniana tetibolam-panjakana tsy nisy fanitsiana, kanefa iankinan’ny aim-pirenena. Tsy nisy tomika sy tonga lafatra, hahafaha-mampandroso an’i Madagasikara tokoa izany iny matoa tsy nisy nokitihina ? Nandeha indray ny fandaniana ny lalàna momba ny fananganana ny faritra ara-toekarena manokana na ny ZES (Zone Economique Spéciale). Tena zavatra avo lenta sy hisy fiantraikany ratsy na tsara amin’ny toekarem-pirenena sy ny fiainam-pirenena an-jatony taona maro na mandrakizay mihitsy aza, izany hoe mila fandinihana sy adihevitra lalina. Tsy nisy sahy nijoro sy nanohitra na dia efa maro aza no nilaza, toy ny firaisamonim-pirenena sy ny mpanao politika, fa manome vahana ny fanomezana ny tanindrazana ho an’ny vahiny sy manamora ny fibodoany tany amina velarana tsy hita noanoa. Tsy manana ahiahy akory ny solombavambahoaka Malagasy manangan-tanana mandany ilay lalàna mety ho zioga ho an’ny firenena mandrakizay, tsy te hiraharaha. Tsy nisy na iray monja aza manao tatitra amin’ny vahoaka hoe: inona marina moa ity ZES ity ary inona no tena tombontsoan’ny firenena, fa vita dia samy miala. Efa misy andininy tsipahin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) vao sanganehana ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT