Politique

Solombavambahoaka Mahazoasy Asa masina ny fanaovan-gazety


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Manoloana ny feo niely izay nilaza fa niantsy ady amin’ireo mpanao gazety ny solombavambahoaka sady filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Mahazoasy Freddy

tamin’ny alalan’ny filazana fa misy ny mpanao gazety “jihadiste” dia nampahafantatra ity tompon’andraiki-panjakana ity fa tsy mbola nilaza izany ary tsy manana ady amin’ny mpanao gazety ihany koa ny tenany. Amiko, hoy izy, dia asa tsara sy masina io ary ny mpitondra sy ny mpanao gazety dia vary sy rano tsy afa-misaraka. Mikasika ilay resaka sata mifehy ny fifandraisana dia nilaza izy fa efa nasiam-panitsiana ireo andininy tsy nampifanaraka teo aloha toy ny faha-20 sy 85 ary 52. Raha ny mikasika ny lamandy farany ambony izay mitentina 10 tapitrisa ariary ao amin’ny andininy faha-24 kosa dia nolazainy fa efa fanaratsiana olona tafahoatra mihitsy vao hampiharana azy io. Mikasika ilay resaka fielezan’ny haino aman-jerim-panjakana irery ihany any amin’ny faritra kosa dia nanamafy ity solombavambahoaka ity fa tsy azo hiadian-kevitra io satria izay ihany angamba no mety heverin’ny fitondrana fa azo hampitana vaovao marina sy hanabeazana ny vahoaka.

Faralahimatoa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT