Vita iny ny fandaniana ilay tetibolam-panjakana 2017 teny anivon’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza.
Tsy tafiditra tao ny mikasika ny fahazoana fiara tsy mataho-dalana na dia efa nezahana aza ny nandresy lahatra fa ahafahan’ireo depiote mivezivezy matetika mijery ny zava-misy any amin’ny tany niaviany avy, raha ny antony nambaran’ny iray tamin’ireo solombavambahoaka ny alakamisy teo, hahafahan’izy ireo mitatitra izany any amin’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa. Toy ny efa nomanina tamin’ny fahalanian’ity tetibola ho amin’ny taona ho avy ity ihany anefa ireto solombavambahoaka ireto satria dia hiara-kikorana eny amin’ny Espace Madagascar eny By Pass eny ry zareo ny alahady izao. Hanala azy izany aloha fa mba niasa be hono teo e !
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.