Tsy siosion-dresaka fa tena hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna ao Andoharanofotsy ny tenako, Solofoniaina Andrianjafitsalama, sekretera jeneralin’ny kaominina Andoharanofotsy.
Antony dia satria resy lahatra aho fa tokony handroso be io kaominina io. Maro no azo resahana mikasika izany saingy heveriko fa tsy fotoanany angamba aloha izao sao hisy hilaza ho manao propagandy mialoha ny fotoana eo. Mahafantatra tsara an’Andoharanofotsy aho, hoy izy, ary mpitantana ao. Samy manana ny stratejiany moa ny kandida rehetra eo amin’ny resaka fiomanana ary marina fa misy ny lainga afafin’ireo mpanohana kandida hafa momba ny tena fa tsy atao mampihemotra izany ary tsy hanaratsy sy hanenjika an’ireny aho satria tsy izany no antony hilatsahako fa efa nisy ny fifandraisana ela tamin’ireo mponin’Andoharanofotsy. Na dia efa fantatry ny vahoaka aza ny anjara birikiko efa nentina nampandrosoana an’Andoharanofotsy dia mbola ho avy ny fotoana tsy maintsy hampahafantarana azy amin’ny fomba ofisialy, hoy hatrany izy. Ny mikasika ny resaka fanahiana amin’ny hoso-pifidianana mety hitranga kosa dia nilaza ny tenany fa matoky ny mpikarakara saingy tsy hipetra-potsiny kosa raha mahatsikaritra sy manana porofo momba izay resaka halabato sy hosoka izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.