Henontsika tamin’ny alalan’ny haino aman-jery isan-karazany fa misy zavatra heverina fa tsy hilamina ao anatin’ny antoko Leader Fanilo izay havoakan’ny “Comité d’Orientation” nitsangana ho azy teo,
hoy Atoa Solay Rakotonirainy Georges izay Sekretera nasionaly lefitry ny antoko. Ambarako, hoy izy fa tsy ao anatin’ny rafitra mifehy ny antoko mihitsy izany hoe “Comité d’Orientation” hampiato amin’ny asany ny birao nasionalin’ny Leader Fanilo, indrindra fa ny filoha nasionaly sy Sekretra Jeneraly dia ny rafitra faratampon’ny antoko mivory isaky ny 5 taona no nifidy azy ireo. Tena tsy miombon-kevitra amin’io milaza fa “Comité d’Orientation” io izahay, hoy Atoa Solay Rakotonirainy, fa na ny mpikambana ao aminy aza misy efa 10 taona tsy hita popoka tamin’ny sehatra politika ary misy mihitsy ny olona tsy ao anatiny akory nefa miteniteny fahatany. Raha ny tokony ho izy dia 18 raha kely ny mpikambana ao anatin’ity C. O ity nefa voalaza fa 5 ry zareo no namoaka fanambarana. Raha ny marina dia ny filohan’ny antoko Jean Max Rakotomamonjy niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny “Bureau National de Coordination” natsangany niaraka tamin’Atoa Toto Alphonse no nanangana ny BNC Leader Fanilo. Tsy misy afaka mampiato ny filoha amin’ny asany afa-tsy ny “Conseil national” mivory isaky ny 5 taona io, hoy izy. Mikasika ny hoe fanajana ny “Ethique” novoizin’ny filoha mpanorina, Herizo Razafimahaleo, natao ho tanjona midika zavatra tonga lafatra dia ambarako, hoy Rakotonirainy Georges fa sarotra ny manaraka azy amin’ny an-tsakany sy an-davany, nefa dia niezaka nametraka izany izahay mpandimby azy tamin’ny fiatrehana ireny fifidianana nifanesy ireny ka nifanaraka tsara tamin’ny lalàna navoakan’ny antoko Leader. Ny zavatra mampalahelo amin’ity resaka ity, hoy izy, dia diovina ankalamanjana ny lamba maloton’ny antoko Leader.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.