Politique

Sokela Pr Ramanoelina Panja «Zava-dehibe ny fifampitokisana»


  • Sabotsy 23 Febroary 2013

Ramanoelina Panja, izy no filoha vaovaon’ny Oniversiten’Antananarivo. Eo ampiandrasana ny didim-panjakana manendry azy amin’izay toerana izay, handraisany ny asany, dia nisy ny tafa nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.

 Tia Tanindrazana (TT) : Tsy mbola mivoaka ny didim-panjakana manendry anareo filohan’ny oniversite vao lany tamin’ny fifidianana farany teo. Inona no fiantraikan’izay amin’ny asa ? 

 Ramanoelina Panja (RP) : Ho an’ny oniversite telo izay ny filoha am-perinasa ihany no lany dia afaka miasa ara-dalàna ry zareo fa ho an’ny oniversite telo hafa izay niova ny filoha tahaka an’Antananarivo, Antsiranana ary Toamasina no misy olana kely. Tapitra tamin’ny 10 febroary 2013 teo ny fe-potoam-piasan’ireo filoha teo aloha ka raha ny lalàna no arahana dia efa tokony hisy ny famindram-pahefana saingy tsy mbola mivoaka moa ny didim-panjakana manendry ireo filoha vaovao. Dia samy miandry izany izao. Na dia tsy mbola mandray ilay andraikitra vaovao amin’ny fomba ofisialy aza anefa ny tenako dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony, indrindra momba ny fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny Oniversite. Vokatr’izay dia tsy tara loatra ny nandraisan’izy ireo ny karamany tamin’iny volana janoary iny ary tokony ho anio zoma farafahatarany ny amin’ity febroary ity. Amin’ny alatsinainy raha ela indrindra kosa ny an’ireo mandray «bon de caisse».

TT : Rahoviana indray ny fandoavana ny vatsim-pianarana roa volana satria milaza ny Minisitra fa anjaran’ny oniversite no mamoaka ny lisitry ny mpianatra mahazo izany ?
RP :
Ny ekipa am-perinasa amin’izao no mbola miandraikitra iny resaky ny Minisitra iny. Ry zareo no mbola manao ny sonia samihafa sy mikarakara ny famoaham-bola araka izay anjaran’ny toeram-pianarana tsirairay avy. Marihiko fa mety hitovy amin’izao zava-misy amin’ny oniversiten’Antananarivo izao koa no hiseho amin’ny toeram-pianarana telo dia ny fakiolten’ny Siansa, DEGS ary “Médecine” raha tsy mbola mivoaka ilay didim-panjakana manendry ireo sojabe vaovao satria tapitra amin’ny volana martsa 2013 ny fe-potoam-piasan’ireo dimbiasany.

TT : Maro ny trano miorina ao anatin’ny faritry ny Oniversite. Sahy handrodana ireny ve ianao, indrindra fa mpampianatry ny Oniversite no tompon’ny sasany amin’izy ireny ?
RP :
Ny Oniversiten’Antananarivo dia tokony handray ny anjara lovany avy amin’ny Oniversiten’i Madagasikara na tany na trano izany. Tsy mbola voalamina tsara anefa hatramin’izao ny lafiny ara-taratasy momba izay famindrana izay. Ao anatin’ny fandaharanasako 2013-2016 ny fandaminana an’io amin’ny alalan’ny fanamafisana ny asan’ny antokon-draharaha misahana izany sy ny fiaraha-miasa koa amin’ny departemanta misahana ny fananantany. Momba ireo tranona mpampianatra ao anatin’ny faritry ny Oniversite indray dia nisy taratasy mazava nosoniavin’ny Rektoran’ny Oniversite tamin’ny taona 1994 manome tany ny mpampianatra. Nisy mihitsy vaomiera natsangana niandraikitra izay. Eny amin’ny sisin’ny faritry ny Oniversite no misy ireo tany ireo raha eny amin’ny “Cité”-n’ny mpampianatra eny akaiky ny Mausolée kosa ny sasany. Ankoatra izay dia misy olona hafa izay ivelan’ny tontolon’ny oniversite mitsofoka aty amin’ny faritry ny oniversite. Eny amin’ny faritra Ambohipo sy Antsahameva no tena ahitana ny trano naorin’izy ireo.

TT : Misy fepetra horaisina ve amin’ireny trano ireny ?
RP :
Ny azo atao aloha dia ny famefena mba tsy hahafahany manitatra mankaty amin’ny tanin’ny Oniversite intsony. Rehefa avy eo dia tadiavina ny vahaolana momba ireo trano efa miorina ireo. Tena maika mihitsy anie araka izany ilay famaritana ny fananan’ny oniversiten’Antananarivo. Marihiko koa anefa fa ny fampianarana ihany no sahanin’ny Oniversiten’Antananarivo fa anjaran’ny CROUA izay eo ambany fiadidian’ny Ministera kosa ny tranon’ny mpianatra na “Cité universitaire”. Raha miresaka ireo fanorenana ao anatin’ny tanin’ny Oniversite eny Ambohipo izany isika dia azo lazaina ho andraikitry ny CROUA ve satria mifanila amin’ny tranon’ny mpianatra ireo tranon’olon-kafa ireo ?

TT : Manam-bola hamefena ny taniny ve ny oniversite nefa ny vatsim-pianarana sy ny tambin-karaman’ny mpampianatra aza tsy voaloa ?
RP :
Tsy maintsy itadiavana lalana samihafa io. Tsy maintsy misy ny fifampiresahanay amin’ireo maintimolalin’ny oniversite na izany ireo mpianatra fahiny na ireo mpampianatra tety taloha ary mbola tafiditra ao koa aza ny “diaspora” (Malagasy monina any ivelany). Fomba fanao manerana ny oniversite matanjaka erantany izany fomba fiasa mampandray anjara ny maintimolaly izany ary efa manana maodely rahateo koa izahay. Tsy mionona amin’ny resaka famefena ny oniversite ilay fiaraha-miasa amin’izay fa sokafana amin’ny fampianarana sy fikarohana ihany koa.

TT : Inona indray no zava-baovao entinao eo amin’ny lafiny fampianarana ?
RP :
Efa folo taona no nandinihana ny fametrahana ny LMD (Licence-Masters-Doctorat). An-dalana ny fampiharana azy izao ny ety amin’ny oniversite. Ny zavatra tsikaritra anefa dia misy mbola miraviravy tanana ny mpampianatra sasany ka ezahana ny hampitovy tantana ny fandraisan’ny rehetra azy. Azo heverina koa ny fidirana tsikelikely amin’ity rafi-pampianarana ity. Misy anefa ireo fepetra miara-dalana amin’ny fampiharana ny LMD izay iarahan’ny oniversite sy ny fanjakana toy ny fampitaovana, ohatra. Mila hatsaraina sy havaozina ireo laboratoara mba ho tsara ny vokatra azo. Eo ihany koa ny resaka “fonds documentaires”, izany hoe ny fananana tahirin-kevitra : ny boky sy ny fanaovana fikarohana amin’ny aterneto izay tsy mbola tonga lafatra aloha hatramin’izao. Fa ilaina ihany koa ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ny mpandraharaha satria mandray anjara amin’io LMD io koa ry zareo. Efa nifampiresahana tamin’ny ministera avokoa izany satria handeha io raha ankinina amin’ny Oniversite samirery.

TT : Laharampahamehan’ny fanjakana ve izany ?
RP :
Tsy maintsy miezaka izahay ety mitady fiaraha-miasa amin’ny fikambanana samihafa toy ny maintimolaly sy ny “Fondation de recherche” samihafa fa ny fanjakana ihany koa dia tsy maintsy mifandray amin’ireo mpamatsy vola. Ny Banky iraisam-pirenena sy ny Unesco izao vao nilaza indray ny fahavononany hanohana ny fampianarana ambony.

TT : Aiza ho aiza ny fanomezan-danja ny fikarohana amin’ny maha mpikaroka anao ?
RP :
Tsy maintsy resena lahatra ny mpampianatra fa tena ilaina ny fanavaozana ny fampianarana sy ny fikarohana. Amin’ny maha mpampianatra mpikaroka dia tsy maintsy mamoaka valim-pikarohana izy. Ity farany no itsarana sy iakaran’ny mpampianatra grady any ivelany. Mampihatra io fomba fiasa io koa isika fa tsy mbola ampy. Mila jerena koa anefa ny fampiharana ireny voka-pikarohana ireny mba tena hisy vokany amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina.

TT : Iverenana ny fiarahamonina ety amin’ny Oniversite. Inona no fepetra raisina manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny goragora amin’ny fivezivezen’olon-kafa ety amin’ny oniversite mba tsy hisy intsony ny tahaka ny raharaha “Michou” ?
RP :
Efa misy paikady hapetrakay hanamafisana ny fandriampahalemana aty amin’ny oniversite. Tsy ny mpampianatra, ny mpianatra na mpandraharaha fotsiny anefa no handraisana fepetra fa izay rehetra monina manodidina ety. Aleo rehefa tena am-perinasa izahay manome ny antsipirihany.

TT : Ahoana indray ilay fananganana Oniversiten’Antananarivo faharoa ?
RP :
Fony izaho mbola talen’ny ESSA no nahare ny fikasana fanorenana Oniversite faharoa. Nisy resaka indray taty aoriana fa “Annexe” no hatao. Eo amin’ny fanatanterahana izao no mbola baraingo amiko. Mila fitandremana koa io resaka io sao tafajoro ny fotodrafitrasa nefa tsy misy vola hanodinana azy.

TT : Teny hamaranana ny resadresatsika ?
RP :
Ilaina ny fifampitokisana eo amin’ny Oniversite sy ireo ministera mpiahy dia ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny Ministeran’ny fitantanam-bola. Averina ihany koa ny fifampitokisana eo amin’ny mpitantana ny onivesite sy ireo “établissement”. Misy fitsidihana atao indray mandeha isan-taona amin’ireo “établissement” miisa fito. Jerena miaraka amin’izany ny olan’ny tsirairay avy sy ny vahaolana. Atao mangarahara koa ny fitantanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpampianatra, ny mpianatra ary mpandraharaha. Farany dia hapetraka ny “Comité d’éthique” izay hamolavola torolalana momba ny soatoavina ifampitondrana eto amin’ny Oniversite manoloana ny firesahana foana ny “Franchise universitaire”.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT