Politique

Sokela Naika Eliane Hiverina ho mpandraharaha rehefa tonga Ravalomanana


  • Zoma 08 Martsa 2013

Andro iraisam-pirenen’ny vehivavy ny 08 martsa ka rariny loatra raha omem-boninahitra izy ireo. Andriambavilanitra iray mpanao politika avy amin’ny ankolafy Ravalomanana no vahiny anio dia i Naika Eliane.

 Loholona in-droa miantoana izy tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana ary mbola voatendrin’ny ankolafy misy azy ho mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita koa izao. Nosamborin’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) tamin’ny fomba mamohehatra izy tamin’ny 12 septambra 2009 rehefa nampangaina ho tomponantoka tamin’ny fanapoahana baomba ary nomelohin’ny fitsarana. Nahazo famotsoran-keloka izay laviny amin’ity raharaha ity izy.

Tia Tanindrazana (TT) : Anisan’ireo nahazo famotsoran-keloka ianao nefa tsy nangataka akory. Ahoana ny fahitanao izany fomba fiasa izany ?
Naika Eliane (NE) : Misy fanodinkodinan-javatra ao satria raha ny lalàna dia mila mangataka amnistia izay mitady izany. Izaho anefa tsy nangataka satria mpikambana feno ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ny tenako. Tsy mandray fanapahan-kevitra mandeha ila izany mihitsy aho fa tsy maintsy miombon-kevitra amin’ny ankolafy Ravalomanana hatrany. Raha sanatria aza nisy fangatahana famotsoran-keloka ho ahy dia ny ankolafy no manao izay. Faharoa dia milaza ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra izay nosonivian’ny rehetra ary efa lasa lalàna velona fa “mijanona avokoa ny fanenjehan’ny fitsarana rehetra”. Nomelohin’ny fitsarana noho ny fanapoahana baomba aho. Nandritra ny fotoana tsy nahateto ahy no nitsarana ny raharaha nefa hatramin’izao fotoana iresahantsika izao dia tsy mbola voaraiko ny fampahafantarana ilay didy manameloka ahy. Midika izany fa mbola afaka mampakatra ny raharaha ny tenako raha tsy mahafa-po ahy ilay fitsarana. Raha fintiniko izany dia tsy nangataka, tsy hangataka ary tsy mila amnistia aho satria tsy nanao ratsy tamin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Tsy nangalatra aho sady tsy namono olona fa dosie noforonina ireny. Madio tanteraka ny eritreritro.

TT : Malaza izao ny famelan-keloka, efa namela ireo miaramila nandratra anao tamin’ny fisamborana anao tamin’io raharaha anenjehan’ny fitsarana anao io ve ianao ?
NE : Efa namela ny iray aho dia ny kolonely Charles satria efa nibebaka izy. Efa madio ny foko aminy. Fa ny sasany toy ny kolonely Lilyson sy ny lehilahy iray antsoina hoe “Mermoz” izay tsy mbola mahatsapa ny tsy mety nataony amin’ity firenena ity dia mbola ao ilay alahelo.

TT : Anaovan’ny governemanta, ny OMC ary ny ACM dinikasa manokana ny fodian’i Lalao Ravalomanana eto. Mino ve ianareo fa hamela azy miditra eto ny FAT na inona na inona fanapahan-kevitra avoakan’ny fivoriana manokana io ?
NE : Tsy ho vizaka mihitsy izahay hitady vahaolana handaminana ao anaty fitoniana ity raharaha ity. Tsy mila gidragidra koa izahay fa ho hitantsika eo izay fanapahan-kevitra horaisin’ny praiminisitra miaraka amin’ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana ireo. Zon-dRamatoa Lalao Ravalomanana no miverina an-tanindrazana satria Malagasy ray sy reny izy, tsy very zo koa izy. Gaga koa aho amin’ny filazan’ny mpitondra hoe tsy mahazo miresaka politika izy. Manana ny zo feno amin’ny maha olom-pirenena azy izy. Tsy mpanao politika koa anie izy e ! Ary tsy izany no antony iverenany eto fa noho ny tsy fahasalaman’ny reniny. Manantena izahay fa hiditra eto alohan’ny alahady izao izy.

TT : Raha tsy mahita marimaritra iraisana ny mpitondra amin’ny fodiany, izany hoe tsy tafaverina eto izy, mbola misy antony tokony hijanonan’ny ankolafy Ravalomanana anaty fitondrana ve satria tsy misy azonareo mihitsy amin’izay ny fitakianareo rehetra ?
NE : Raha ny hevitro manokana dia endrika ivelany fotsiny ny fiaraha-mitantana anaty tetezamita ary tsy ho anay irery io. Jereo anie fa samy mandeha samy mitady ny fiadidian’ny FAT sy ny fiadidian’ny praiminisitra. Hita koa izany amin’ny fifandraisan’ny governemanta sy ny fiadidian’ny FAT ary ny Parlementa. Lainga izany fiaraha-mitantana izany. Hitsakitsahana ny tondrozotra sy ny zon’olombelona. Mametraka ny fahatokisany amin’ny SADC amin’ny fikatsaham-bahaolana amin’izao krizy izao ny filoha Marc Ravalomanana fa raha toa ka manome baiko hialan’ny ankolafiny ao anaty tetezamita izy dia izaho no mametra-pialana voalohany.

TT : Rehefa miresaka SADC ianao sady andron’ny vehivavy rahateo anio dia nifanarahantsika taminy ny hanomezana hotantanin’ny vehivavy ny 30% ny andraikitra ambony. Tsy hita taratra anefa izany ao amin’ny ankolafinareo ?
NE : Marina aloha fa mbola vitsy izahay vehivavy fa miezaka izahay mba hihoaranay aza io 30% io hiakatra 35 %. Ilaina dia ilaina ny fanomezana andraikitra ny vehivavy amin’ny seha-pitantanana amin’ny ankapobeny ary anisan’izany ny politika.

TT : Ny ankolafinareo aza mbola nanaisotra ny minisitra vehivavy iray indray ?
NE : Tsy nesorina izy ka.

TT : Inona ary no sosokevitrao hahantanteraka tokoa ny Miralenta ?
NE : Matetika moa ny vehivavy sakanana foana. Rehefa misy izao ny fisafidianana kandida eo anivon’ny antoko dia vitsy ny vehivavy avela handray andraikitra. Ny antoko rehetra izany dia tokony hieritreritra hampihatra io 30 % io. Torak’izany koa any amin’ireny sampandraharaham-panjakana ireny. Rehefa misy fandraisana mpiasa dia tokony hohajaina io taha io farafaharatsiny.

TT : Rehefa milamina ny toe-draharaha ara-politika, mbola vonona hilatsaka hofidiana ve ianao hisolotena ny vahoakan’i Menabe ?
NE : Eto ny hitenenako voalohany ity fanapahan-kevitro manaraka ity. Manana “dette morale” amin’ny filoha Ravalomanana ny tenako izay notendreny in-droa miantaona teo amin’ny toeran’ny Loholona. Tena miavaka sady zava-dehibe tokoa ilay fanendrena faharoa satria izaho irery no mbola tafaverina loholona tamin’ireo notendreny nandritra ny fotoam-piasana voalohany sady izaho irery koa no vehivavy avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara. Tena nametraka fitokisana tamiko mihitsy izy ka hohajaiko mandrakizay io fahatokisany ahy io. Hiady mafy aho hiverenany eto Madagasikara. Olombelona izy ka manana ny fahalemeny sy ny tanjany fa rehefa atao ny tombana dia be lavitra ny zava-tsoa vitany ho an’ny Malagasy sy ny fireneny. Mivavaka mafy aho mba hiverina eo amin’ny fitondrana indray izy amin’ny fotoana izay tsy misy mahafantatra. Rehefa milamina ny mahakasika azy dia hisintaka amin’ny politika aho ka hiverina amin’ny asako taloha, mpandraharaha. Na inona fifidianana ho avy eo amin’izay dia tsy hanao aho.

TT : Resa-pianakaviana indray. Hilatsaka hofidiana filoham-pirenena ny anadahinao Kolo Roger, ianao anefa anaty ankolafy Ravalomanana. Hiaraka amin’iza ianao ?
NE : Mitsodrano an’i Kolo Roger aho amin’ny fikasany nefa tsy afaka hanohana azy aho amin’ny maha mpikambana feno ahy ao amin’ny Tiako I Madagasikara. Efa niseho anie ny tranga mitovy amin’io tany Morondava. Nanatona ahy nilaza ny filatsahan-kofidiany Ben’ny tanàna ny zanak’i Kolo Rolland izay anadahiko ihany koa.Nolazaiko taminy anefa fa tsy afaka hanohana azy aho satria nanana ny kandidanay izahay Tiako I Madagasikara sady tsy ho lany koa izy. Dia tanteraka tokoa izay nolazaiko. Nampitandremako tsara koa izy tamin’izay fa na dia ho lany aza izy dia ho potika ny hoavy politikany satria Kaominina be trosa sy namela vary mangatsiaka betsaka ny Kaominin’i Morondava.

TT : Manana hafatra ho an’ny vehivavy na ny olom-pirenena ve ianao amin’izao 8 martsa izao ?
NE : Manao antso avo amin’ny vehivavy ny tenako fa ilaina ny fandraisantsika andraikitra amin’ny sehatra rehetra. Ho an’ny olom-pirenena dia tiako hamafisina fa tsy misy olombelona nahita masoandro raha tsy avy amin’ny vehivavy ka tokony hohajaina izy ireo.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT